airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Ravalomanana sy ny RMDM "Efa jadona no misy eto"

Sample post image

“Manoloana ny fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy noho ny fanehoan-kevitra tsotra nataony tao amin’ny Facebook dia iaraha-mahita fa misy tokoa ny fanamparam-pahefana ary fanitsakitsahina ny lalampanorenana ataon’ny mpitondra.

01-févr-2022

Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-folon’ny lalampanorenana anefa fa iantohana ny fahalalahana maneho hevitra”, hoy ny fanambarana nosoniavin’i Marc Ravalomanana Filohan’ny Rodobenn’ny Mpanohitra eto Madagasikara na ny RMDM omaly. Nambarany fa ny fiampangana sy ny fitazonana azy izay nataon’ny mpitandro ny filaminana dia azo adika tsotra izao fa fanaovana ramatahora an’ireo Malagasy rehetra sahy maneho ny heviny ankahalalahana sy mitsikera ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Arak’izany dia efa mihatra eto amin’ny firenena ny didy jadona sy ny fanapotehana ny demokrasia, hoy io fanambarana io. Tsy azo ekena intsony ny fanaovana ramatahora, ny didy jadona, ary ny fanitsakitsahina tsy misy farany ny lalàmpanorenana ataon’ny mpitondra fanjakana iarovana ny tombontsoa politikan’izy ireo. Noho izany dia manameloka tanteraka izao fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy izao izahay. Takianay ny hamotsorana azy haingana ary tsy misy fepetra. Melohinay ihany koa ny fampiasana ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika sy herim-pamoretan’ny mpitondra, hoy ny fanambarana nosoniavin’i Marc, izay marihina fa ny marainan’ny omaly no nanaovana azy, izany hoe talohan’ny didim-pitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy.
Toky R 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap