Na manome toromarika ny mpiara-dia aminy aza ny TIM mba hiomana fa tsy maintsy hisy ny fifidianana, dia manamafy ny ahiahin, fa tsy misy hatramin’izao ny fahavononan’ny fitondrana hitondra fanatsarana ireo lalàna mifehy ny Fifidianana. Maro anefa ny lesoka, hoy ny TIM. Mbola misy mpifidy 4 tapitrisa tsy voasoratra anarana kanefa zo fototra ny mifidyy, ary fototra lehibe hahafahana manatanteraka fifidianana demokratika, marina ary azo antoka ka hanome vokatra eken’ny rehetra ny fananana lisitry ny mpifidy feno sy madio. Na eo aza izany, manamafy io antoko io fa ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana misy ankehitriny dia tsy hahafahana manatanteraka fifidianana madio sy marina satria tsy miantoka ny fitovian-jon’ny kandida rehetra, ny tsy fiandanian’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny fangaraharan’ny fifidianana, ny fandraisan’ny rehetra anjara ary ny fahamarinan’ny voka-pifidianana. Noho izany, manainga ny rehetra hatrany izahay handray ny andraikitra tandrify azy avy mba hisian’ny fifampidinihan’ny rehetra hanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ireo, hoy io antoko io. Nanitrikitrika fa tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha. “Tena vonona izahay ny hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka sy hampanjakana ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana rehetra”, hoy ny TIM. Noho izany, takian’izy ireo amin’ny mpitondra Fanjakana hampitsahatra ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaovana ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana; miantso ny mpitondra hampitsahatra ihany koa ireo teritery sy tsindry atao amin’ireo Lehiben’ny Fokontany, Ben’ny Tanàna, Lehiben’ny Distrika ary ny Prefe hampiasa ny fahefam-panjakana eo ampelatanan’izy ireo hiandany ara-politika amin’izao Fifidianana izao; manainga ireo sampan-draharaha rehetra miady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola izahay hametraka dieny izao fomba fiasa manokana sy paikady mahomby hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ara-pifidianana (corruption électorale) sy ny fampiasana vola maloto mandritra ny zotram-pifidianana rehetra, miantso hatrany ny fanatsarana ireo rafitra hikarakara ny fifidianana mba hisian’ny fandraisan’ny rehetra anjara sy ny tena fahaleovantena marina amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany,… hoy hatrany io Antoko io.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny