Tsimbazaza omaly ny filoham-pirenena teo aloha mirahalahy, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, nandritry ny fifanakalozana manokana mikasika an’I Madagasikara sy Frantsa ary ny ranomasimbe indianina. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha 100 taonan’ny Akademian’ny siansa aty amin’ny fari-dranomasintsika na “Académie des sciences d'outre-mer” moa izy ity, raha ny fanazavana. Nanotrona izany koa ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois. Fantatra fa hisy amin’ity anio ity ny fanambarana hiarahan’ireo depiote nanasonia ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ny governemantany eny Ambohimanambola. Voalaza ihany koa fa andrasana hanotrona izany ireto filoham-pirenena teo aloha ireto. Andrasana hanao fanambarana goavana ihany koa, noho izany, izy ireo anio.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby