airtel

Politique

17-janv-2023

Politique

Refesina hatramin’ny Fiangonana Rehefa iza no hiteny vao hiaika fa rendrika ny firenena ?

Sample post image

Adihevitra mandrak’androany ilay toritenin’ny Mpitandrina FJKM tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, izay maro ny mpitondra Fanjakana nahatsiaro ho voatsindrona na tsy nisy fanononana olona mivantana aza.

17-janv-2023

Raikitra ny fanaratsiana sy fanalam-baraka amin’ny endriny samihafa eny amin’ny tambajotran-tserasera, izay tena lasa mirona any amin’ny zavatra mamohehitra sy fanalam-baraka, eny fa hatramin’ny teny ratsy variraraka aza. Mety tsy hamaly an’ireny ny Fiangonana, fa moa misy na hisy ve ny fandraisana andraikitra ataon’ny Fanjakana eo anatrehan’ny zavatra mamohehitra tahaka ireny ? Sa izay olona mety manohintohina ny Fitondrana ihany ihany no hitan’ny Cybercriminalité ? Mazava ny ao ambadika rehefa tsy misy fandraisana andraikitra! Toa sarotra ny hiaiky ny zavatra tsy mety ka na mahatsiaro ho iantefan’ny hafatra aza tsy vonona hanitsy tena, matetika toa entina any amin’ny adihevitra diso sy mirefarefa amin’ny tany. Tsy ny Fiangonana mihitsy no handeha hanarontsarona sy hanakontakona ny fahalovana sy ny tsy mety, ny fahantrana, ny fahoriana sy ny fijalian’ny vahoaka izay ondrin’ny Fiangonana ny ankamaroany. Mpaminany ihany koa ny Fiangonana, ka tsy maintsy milaza ny marina ao anatin’ny vanim-potoana sarotra. Voasokajy ho ao anatin’ny Raiamandreny to teny na “Autorité morale” izay tokony ho arofaninana farany ho an’ny Firenena sy ny vahoaka ny Raiamandreny am-panahy saingy toa misy ny sasany mandray azy ireny ho fahavalo io. Niteny sy nitanisa ny tsy mety ny antenimierampirenena tamin’ny fitsipaham-pitokisana saingy noraisina ho fanakorontanana, miteny ny Fiangonana henjehina,… Asa iza no hiteny vao hiaiky fa misy ny tsy mety sa I Jesosy Kristy mivantana mihitsy no ilaina midina eto? Tsy vao sambany no nisy hafatra mafonja tahaka ireny, saingy misy ny hananana henamaso, ary ao ny toa tandrohana. Henjana, ohatra, izany fanambaran’ny Fivondronamben’ny Eveka izany hatramin’izay rehefa misy ny zavatra hitany fa tsy mety sy mivaona amin’ny tokony ho izy. Raha tonga teto ny Papa Fransoa ny taona 2019, isan’ny noresahiny ny fahalovana, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fahatrana lalina mahazo ny vahoaka,… Vao tsy ela tany Ambaja, nafonja sy nahery vaika ary tsy nifanalavitra tamin’io tetsy amin’ny Coliseum io ihany koa ny hafatra nentin’i Mgr Raharilamboniaina Fabien,Evekan'i Morondava sady Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara nandritra ny fametrahana ny Evekan’Ambanja, fa moa nisy Mpitondra Fanjakana nilaza fa tohina tamin’izany? Tsy misintona lakolosy na mitsara fahatany sanatria, na koa mandraraka menaka amin’ny afo efa mirehitra, fa toa hafahafa ihany ilay fihetsika saingy tsy atao mahagaga ny resaka fanimbazimbana Raiamandreny am-panahy, raha miverina kely mitadidy ny zava-niseho tamin’ny 2009.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap