airtel

Politique

20-sept-2021

Politique

Resabe manaratsy endrika ny fitondrana Tsy sahy manapa-kevitra ny Filoha

Sample post image

Tsy voavaha ny olana fototra eto amin’ny firenena toy ny resaka asa, sakafo, fandriampahalemana, fahasalamana, fanabeazana izay tadiavin’ny malagasy maro an’isa amin’izao fotoana izao.

20-sept-2021

Miha miseho isan’andro ny faharefoan’ny fitondrana ankehitriny. Miha lalina ny fanontaniana mipetraka mikasika ny fahefan’ny filoham-pirenena Malagasy hoe hatraiza marina? Mpiara-mitantana tsy mitsahatra ny hipoiran-java manimba endrika ny fitondrana izao kanefa dia tsy ahitan-teny akory ny filoha manoloana izany rehetra izany. Efa niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera izao ny rakipeon’ny sasany mandrahona hanagadra mpitsara, hoy ny fanazavan’ireo mpanao gazety sy mpamakafaka, ary tsy vitan’izay fa mbola mandrahona ny hanalana jeneraly amin’ny toerany afaka herinandro ihany koa. Efa ny prefe izao no nanamarina fa nisy ilay poa-basy kanefa dia nijanona hatreo amin’ny fanagiazana ireo fitaovam-piadiana fotsiny ny raharaha fa tsy nisy na dia fanesorana ilay “mpiara-miasa” tamin’ny andraikiny fotsiny aza. Raha ny lojika aza anefa, hoy hatrany ireo mpamakafaka dia tokony ho tonga any amin’ny fisamborana sy fanagadrana mihitsy ny tranga toy izany kanefa dia milamina lasa niala sasatra any Nosy be indray aza ilay olona. Mahalala ny antsipirian’ny dosie momba ny filoha, Andry Rajoelina, koa ve ireo olona hivoahana dosie tsy an-kijanona ankehitriny ireo ka raha vao alana amin’ny toerany dia hampitodika ny ampamoakany any amin’ny filoham-pirenena ihany koa? Any anaty fandaminana asa sy fifehezana ny ekipany aza moa dia io iaraha-mahita io fa tena manahirana ny filoha dia ahoana moa izany no inoana fa ho mora ho azy ny hanatanterahany ny tetikasany na koa itondrany fampandrosoam-pirenena anatin’izany? Nahoana ny filankevitry ny minisitra no tsy miresaka ity tranga mitana ny sain’ny maro efa ho iray volana ngarangidiny ity mihitsy na miteny hoe tsy izy fa tsaho ohatra ilay izy dia mankahery ny minisitra na manambara mazava hoe izao sy izao no nitranga dia mandray fanapahankevitra avy eo? Mampametra-panontaniana maro ilay tsy fahasahiana mandray fanapahan-kevitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap