airtel

Politique

14-janv-2022

Politique

Resaka Nosy Malagasy Miala any indray ny fampanantenana poakaty

Sample post image

Hitohy amin’ny herinandro ambony ny fifampiraharahana mikasika ny Nosy Malagasy na Iles Eparses, araka ny nambaran’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina omaly.

14-janv-2022

Mino aho fa amin’ny herinandro ambony,, dia hisy ny fihaonana eo amin’ny Kaomisionina iraisan’ny Malagasy sy Frantsay mikasika ny Nosy Malagasy, hoy io Minisitra io. Tsy misy kosa ny daty mazava mikasika io fihaonana io, raha toa ka ny novambra 2019 teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny fihaonana voalohany. Nandeha ny fampandriana adrisa fa tsy misy ny sakana momba ny fifampiresahana amin’ny Fitondrana Frantsay momba ny raharaha Nosy Malagasy. Ny resaka coronavirus sy ny sidina no tsy nahafahana nanohy ny resaka, izay tokony natao ny volana desambra teo. Ny volana aogositra 2021 rahateo dia efa nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha roa tonta, hoy i Patrick Rajoelina. Hatreto, mbola mijanona ho nofinofy ary tsy ato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy no hahazoana ny Nosy Malagasy. Nambara fa mialohan’ny 26 jona 2020, saingy efa 2022 isika izao. Fampandriana adrisa sy fampanantenana poakaty no betsaka. Sanatria ny hoe: manakivy na tsy mankasitraka ny fitakiana ny Nosy Malagasy, ary iriana sy amporisihina mihitsy ny fitakiana sy ny fahazoana izany. Tsy izao Fanjakana izao mihitsy, ary tsy amin’izao tanjaka ara-toekarentsika izao mihitsy no hahazoana izany. Fampandriana adrisa sy fampanantenana poakaty ary seho ivelany raha ny an’ity Fitondrana Rajoelina ity amin’ny fitakiana izany. Vao ny volana aogositra ve ianao no mifanao sonia trosa 151 tapitrisa euros hanaovana teleferika dia aty amin’ny janoary ianao hahavita hiady momba ny famerenana ireo Nosy? Ny minisitry ny raharaham-bahiny ve olon’ny Frantsay dia tena hiady ho an’ny Nosy Malagasy? Ekena fa mety hisy tokoa ny diniky ny Kaomisionina saingy tsy misy antenaina amin’izany hatreto, ary azo sokajiana ho sarimihetsika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap