airtel

Politique

01-août-2022

Politique

Rina Randriamasinoro “Mpandainga sy mpanasoketa ny Minisitra Lalatiana”

Sample post image

Nirarapokana ny valin-kafatry ny Mpitondra tenin’ny governemanta ny zoma lasa teo mikasika ny mpanohitraMiketrika fanonganam-panjakana, manao izay hisian’ny krontana.

01-août-2022

Ka nilzany fa mikotrika tetezamita sy fiaraha-mintana, te hampihena ny fahefan’ny Filoha, miova ny governemanta, ravaina ny antenimiera mba hahazoana seza. « Tena mampihomehy, ela no niaina teto ambonin’ity tany ity, fa krizy ekonomika no misy kanefa ny an’ny sasany vahaolana politika ahazoana seza no hany tokana mba hitany sy harosony ho an’ny vahoaka Malagasy. Ny FMI vao andro vitsy no nilaza fa henjana ny sondro-bidim-piainana maneran-tany. Ny any Grande Bretagne misedra fisondro-bidim-piainana goavana be fa tsy miteny ny mpanohitra na hoe handao hanao tetezamita”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. “…Tsy hita izay maharesy lahatra amin’ny fikaonan-doha tadiavin’ny mpanohitra. Vakiana fotsiny ny tanjona, hoe hatao izay paikady “strategie de KO” dia tsy maintsy hiafara amin’ny fifampiresahana an-databatra boribory hizarana seza”, hoy izy. "Manaporofo izany ny nahitana.... izay anie mety hoe inian-dry zareo tsy resahana loatra, fa izany ange no vaovao nisongadina teny an-toerana e, fisiana "gros bras" maromaro niaraka tamin'ny Sekretera Jeneralin’ny antoko TIM nidina teny an-toerana, nisy ange izany e", hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Nisy ny valin-kafatra nentin’i Rina Randriamasinoro. “Nilaza ny minisitry ny Serasera Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fa nisy Gros Bras niaraka tamiko teny amin'ny Magro Behoririka ny Sabotsy lasa teo. Aiza ny porofo hahafahanao milaza izany, raha nisy ny “Gros Bras” dia nanaiky ny nisamborana ahy ve izy ireo ? Satria minisitra dia afaka mandainga ve?” hoy izy. Nahitsy ity Sekretera Jeneralin’ny TIM ity nilaza fa tsy mahagaga raha toy izao no mianjady amin'ny firenena satria lainga foana no lazaina amin'ny vahoaka! « Nilaza ihany koa ny tenany fa namaky "barrage" teny Analakely izahay ary nikasa handoro ny fahitalavitra VIVA, tsy toa anareo izahay. Magro Behoririka no toerana nanaovana hetsika fa tsy Analakely ary misy horonan-tsary manaporofo izany. Raha manana horonan-tsary ilay lazainao misy anay teny Analakely ianao dia avoahy fa aza vokisana lainga ny vahoaka », hoy hatrany i Rina Randriamasinoro.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap