airtel

Politique

20-avril-2021

Politique

Rina Randriamasinoro “Tokony handinin-tena ny Filoham-pirenena”

Sample post image

Ato anatin’ny hamehana ara-pahasalamana, dia hatsahatra ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra sy maro samihafa,

20-avril-2021

 

 

 

 hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny kabariny alahady 18 aprily teo. Tsy fantatra mazava iza no tena iantefan’io, ary nampametra-panontaniana maro samihafa. Mahatsiaro tena ho iantefany ve ny mpanohitra sa tsia amin’ny tenin’ny Filoha hoe ajanony ny fanakorontanana? Ny filoham-pirenena mihitsy no tokony handinin-tena ny amin’ny zava-misy hoe inona marina io, hoy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Atoa Rina Randriamasinoro omaly. Nambarany, fa zava-misy tsy azo iadian-kevitra dia tena mikorontana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, mikorontana satria ao anatin’ny fahasahiranana manoloana ny ady amin’ny aretina, ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny hanohanana isan’andro,… Tsy manana tondro na “répère” mihitsy ny vahoaka Malagasy fa very tanteraka hoe mety rahoviana, mety rahampitso ve? afaka iray volona ve sa afaka herintaona sa rahoviana no ho resy ny valanaretina? Nohitsiany fa misy ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra vao mainka mitondra fanakorontanana eo amin’ny fiainam-bahoaka. Raha miteny izy hoe: ajanony ny fanakorontanana, dia aleo mihitsy izy aloha no mandinin-tena hoe: izay no tena tompon’ny fanakorontanana eto? Hoy ny valin-kafatra avy amin’I Rina Randriamasinoro Mpitarika ny Antoko TIM. Nampifoha ny mpanohitra sy niteraka fanehoan-kevitra maro ny kabarin’ny Filoha.

RESAKA TSY ARAHIN’ASA

Notsiahivin’I Rina Randriamasioro, fa vao nitsofoka teto io valanaretina io, dia niteny ny mpanohitra fa fahavalo iombonana ny valanaretina, ary mila firaisan-kinan’ny rehetra. Matoa miteny mpitondra ankehitriny fa miantso firaisan-kiana dia miverina amin’ny resaka hatramin’izay hoe ilaina io firaisan-kiana io. Tokony nisy asa nataony mialoha aloha, manana Raiamandreny isika eto amin’ny Firenena na ny CFM, na Mpitondra fivavahana, na ireo Filoham-pirenena teo aloha, na ny Filohan’ny fanoherana, hoy ny Sekretera Jeeralin’ny TIM. Ny volana martsa 2020 moa dia efa samy naneho ny fanoloran-tànana sy fahavononana hiara-hiady amin’ny valanaretina ireo Filoha mirahalahy teo aloha Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Tsy mbola nisy ny fiantsoana ny TIM sy ny HVM, fa ny filoha teo aloha efa nodimandry dia Itompokolahy Didier Ratsiraka ihany no efa niresaka tamin’ny Filoha Rajoelina momba ny ady atrehina amin’ny coronavirus.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap