airtel

Politique

24-juin-2021

Politique

Rina Randriamasinoro “Tsy haitraitra sy fahafinaretan’ny maso ny fahaleovantena”

Sample post image

Tsy ny fandaniana amin’ny alalan’ny fahafinaretan’ny maso no hanamarihana ny fahaleovantena, hoy ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro omaly.

24-juin-2021

61 taona no nahazoana ny fahaleovan-tena, kanefa hatramin’izao mbola miankin-doha hatrany. Mbola anarany fotsiny ny fahaleovantena, eny fa na ny ara-tsakafo aza, indrindra ny famatsiam-bola ka tsy tokony ho haitraitra no hoenti-maneho izany ho azy ireo. “Aminay TIM, tsy ny fisehoana ivelany no zava-dehibe, tsy ny fandaniana amin’ny rendrarendra sy ny fahafinaretan’ny maso. Tena mipaka amin’ny Malagasy ve ny fahaleovantena? Ny tetibola iasan’ny fitondram-panjakana aza mbola famatsiana avy any ivelany. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo fotsiny aza dia efa olona be ho antsika ka moa ve ny vitan’ny fanjakana ny hanova izany? Tsy mbola misy ny fanasana azo ho an’ny TIM, ARY na hisy izany na tsy hisy, tsy hanotrona zavatra hanaovana fandaniana eritreretina ho olona vitsy no hanaovana azy izahay. Tsy hanatrika ny haitraitra, fa zavatra tokony hipaka amin’ny isam-batan’olona no atao”, hoy hatrany i Rina Randriamasinoro.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap