airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Rina Randriamasinoro “Zavatra tsisy dikany tsongolohana, ny ompa sy ozona tsy hita”

Sample post image

Isan’ny nanotrona teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava sy teny amin’ny fampanoavana nanoloana ny fanenjehana an’i Mahery Lanto Manandafy

01-févr-2022

 ny Rodoben’ny mpanohitra sy ny avy amin’ny Antoko TIM notarihin’ny Sekretera jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro sy ireo depiote TIM omaly. « Firirify ny fitarainanay nataonay TIM sy ny mpanohitra mahakasika ny fihetsiky ny mpanara-dia ny mpitondra, manao fanompana “diabolisation”, nanompa sy nanozona ny filoha teo aloha, firy ny fitoriana nataonay, zavatra tsy misy dikany akory, dia nitazonana olona 48ora. Tsy TIM izy fa mpanohitra, ka na iza na iza iharan’ny tsy rariny, dia mijoro izahay », hoy i Rina Randriamasinoro. Tsara ny mampahatsiahy, fa nitory teny amin’ny « Cybercriminalté » ny Antoko TIM tamin’ny zavatra mamoafady nilazana fa maty i Marc Ravalomanana ny fiandohan’ny taona 2020; tao ihany koa ny fisandohana anarana sy fanaovana hosoka ny sonian’i Marc Ravalomanana, nisy ihany koa ilay vaovao tena tsaho nivoaka tamin’ny Facebook sy haino aman-jery mpanohana fitondrana ny aprily 2020 nilazana fa tonga ao Nosy Be ny mersenera sy ny fitaovam-piadiana nafaran-dRavalomanana febroary,… Zavatra mamoafady ny tahaka izany, saingy tsy re aloha hatreto izay setriny sy tohin’ny raharaha fitoriana
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap