airtel

Politique

15-mars-2021

Politique

Rinah Rakotomanga Nitsikera an-kolaka ny minisitry ny serasera

Sample post image

Sakana iray tsy ahafahana manatanteraka ny adidy amin'ny mpiray tanindrazana manoloana ny ady amin'ny Covid ny

15-mars-2021

 

 

 

fitiavam-boninahitra sy ny tsy fahaiza-miaina ataon'ny sasany, mba tsy hilazako hoe ny miseho azy ho tompom-pahefana, izay tsara ampahatsiahivina fa nampindramina ilay izy fa tsy nomena ho anao mandrakizay, hoy ny tsikera an-kolaky ny tale misahana ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Rinah Rakotomanga, izay hita ho miantefa amin’ny minisitry ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy omaly. Aina no vonjena, hoy izy. Fanentanana no atao fa tsy fitiavan-tsehoseho sanatria. Ary rehefa te ho Praiminisitra na te ho Filoham-pirenena dia mila mba mahay miara-miasa sy miara-miaina aman'olona fa tsy manao toetra tsy mendrika tahaka io. Tsy ho tody amin'izany mandrakizay ianareo raha izao toetranareo mamoha henatra ataonareo fanao izao. Tsy vitan'ny "Werawera" na fitetezana orinasan-tserasera na famoriana mpanakanto na fanadiovana tanana ny asa fanompoana tanindrazana fa mila fanetren-tena sy fahaizana miara-miaina aman'olona ary fanajana ny hafa hatrany amin'ny kely indrindra ka hatrany amin'ny lehibe indrindra, ary indrindra indrindra ireo lehibenareo. Tsy ilaina fanambonian-tena fa ilana fandinihana lalina ny tena zava-misy marina iainan'ny mpiray tanindrazana ka miezaka ny manampy azy ireo araka izay tratry ny aina sy takatry ny saina. Fa izay manetry tena no asandratra, izay manandra-tena no aetry. Ambava homana ampo miheritreritra, hoy hatrany izy. Tsikera izay hita ho naneho ny tsy fifankahazoan’ny samy ao anaty fitondrana ihany izy ity na koa hoe ny ady an-tranon’izy ireo ary saika nahazo an-tsaina avy hatrany ny olona sy mpiara-miasa aminy tian’ity tompon’andraikitra ity ho kianina avy hatrany moa ireo mpanara-baovao raha nahita ity fanehoan-kevitry  ramatoa tale ity tao anaty tambazotran-tseraserany. Andrasana ny tohiny.

 J. Mirija Legende: Rinah Rakotomanga

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap