airtel

Politique

05-mai-2023

Politique

Rivellino Ravelomahazo «Tokony resahana kokoa ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena»

Sample post image

Ny fiainam-pirenena no dinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena eo anivon’ny Vovonan’ny tanora tia tanindrazana ho amin’ny fanovana na JPRM,

05-mai-2023

Rivellino Ravelomahazo, naneho ny heviny mikasika ny mety ho endriky ny lahadinika eny Tsimbazaza eny amin’izao fisokafan’ny fivoriana ara-potoana izao. Ireny no havadika ho lalana dia tanterahana eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara amin’ny maha tany tan-dalana antsika, hoy izy. Voalaza ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ny lalampanorenana izany. Tsara ho fantatra koa fa ny atao hoe tetibola dia vinavinan’ireo vola heritreretina ho ampiasaina eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara. Sora-bola izany izy ireny. Ireny avy eo no atao hoe fanampianara ara-bola izay azontsika amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola. Ny governemanta avy eo no manao ezaka amin’ny famoaham-bola. Misy ao anatin’izay ny fanomezan-toky sy fifanarahana na «engagement» ahafahana mamoaka hoe iny aloha ny 50% na ny izao isan-jato atao fanomezana, ny 10% trosa dia misy karazany toy izany izy io. Aza variana isika, noho izany, resahan’ny olona hoe tsy misy vola ny fanjakana na toy izao ny sorabola fa na iza tonga eo dia tsy maintsy sorabola aloha no iaingana. Amin’ny alalan’ny hetra, ny orinasam-panjakana, ny seranana sy maro samihafa no loharanom-bolan’ny fanjakana. Ireny avy eo no tsinjaraina. Tsy hoe tsy tafapetraka ny fitsinjaram-pahefana fa misy ilay fametrahana ny atao hoe fitsinjaram-pahefana tanteraka sy misandratra. Mizara eny amin’ny faritra, distrika, kaominina ny fahefana, izay fahefam-panjakana hanatanterahana ny lahasam-panjakana, ohatra. Tokony resahana kokoa ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena satria miainga avy any amin’ny faritra ny fampandrosoana. Ny olona rehetra ao amin’ny faritra no misehatra ahafahan’ny tamberi-ketra miverina ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina, faritra, distrika ary avy eo miverina aty amin’ny kitapom-bola foibe. Misy miteny fotsiny hoe omeo 800 tapitrisa Ariary avy ny kaominina. Tsy fitsinjaram-pahefana izany fa fampanantenana poakaty. Avy aiza ny vola hamatsiana izany? Misy sokajiny ny kaominina. Tsy hitovy ny vola omena ny kaominin’Antananarivo sy Arivonimamo na hafa. Misy ny kaominina ambanivolo sy Andrenivohitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap