Ataovy ny fitsarana, alefaso ka raha meloka izy izahay tsy mpitsara, fa ny mampalahelo dia ny mizana tsindrian’ila satria iarahantsika mahalala ny zavatra misy eto amin’ny firenena”, hoy Atoa Rivo Rakotovao omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha fisavana ny tranon’ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, izay mpanolontsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Notsipihiny fa tena misy ny mizana tsindrian’ila eto, ary vitavita ho azy hatrany ny afera mety mahasaringotra olon’ny fitondrana. “Ny mampalahelo fotsiny dia ny hoe: ahoana ny hieritreretantsika Malagasy fa volamena ao anatin’ny “coffre fort”-n’ny Fanjakana no manjavona dia tahaka ny hoe: “faits divers” tsotsotra izany. Ny farany angamba rehefa ny Banky Foibe no vaky vao ho taitra hoe: iza tokoa izy ity fa ohatran’ny mandalo kely tahaka ny zava-drehetra. Misy moa ny fanodinkodinana saim-bahoaka mandalo kely isan-kerinandro, manao an’izao sy izao…”, hoy hatrany izy. Notohizana aza, fa “mbola miampy ilay Praiminisitra miteny hoe: efa tamin’ny andron’ny HVM io no very, ianao izany sanatrian’izany fa tsy izany no “gardien” na “magasinier” no hiteny hoe io anie efa very taloha nefa izanao no eo, dia ianao no voapaingotra voalohany amin’izany. Tsotsotra amin’ilay mpitondra ny miteny tahaka izany hoe: tsy tamin’ny andronay fa tamin’ny HVM, hay efa fantatrao fa very ilay izy, fa ny taty aoriana no tsy nahatanty an’ilay izy dia namoaka hoe: tsy ato intsony, fa izay nifandimby tao dia tahaka ny hoe: tsy tao ilay izy fa avelao aza miteny fotsiny amin’izao no andraisanay azy”. Naneho ny Mpandrindra Nasionalin’ny HVM fa tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana, fa mahita kosa fa misy fitongilanana, misy herisetra atao, kanefa misy ny sasany na indray maraina aza tahaka ny resaka volan’ny covid-19 tsisy tohiny, kanefa sesilany ny filàna fanazavana tamin’ny fitantanana an’io, fa tsy mihetsika amin’izany ny fitondram-panjakana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby