airtel

Politique

25-août-2021

Politique

Rivo Rakotovao “Manala baraka ny firenena i Patrick Rajoelina”

Sample post image

Nitondra hafatra mivaivay ho an’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy Atoa Patrick Rajoelina Atoa Rivo Rakotovao

25-août-2021

 izay Filoham-panjakana mpisolo toerana teo aloha sady efa Filohan’ny antenimierandoholona, ary mpandrindra Nasionalin’ny HVM. Ilay hetsika politika nataon’ny TGV-MAPAR tany Paris ny faran’ny herinandro teo nahitana ity Minisitra ity no anton’io. Nataon’I Rivo Rakotovao tamin’ny teny vahiny ny fanehoan-keviny hita tamin’ny tambajotran-tserasera, izay azo adika malalaka amin’ny teny Malagasy tahaka izao: “Atoa Patrick Rajoelina, Minisitry ny raharaham-bahiny, Minisitry ny Repoblika ianao ary miantsoroka ny raharaham-bahiny, noho izany asio fanajana sy henatra kely ihany. Marina fa tsy mahafaty anao ny resabe, kanefa asio fanajan-tena kely ihany. Mendrika ny hajany I Madagasikara fa ny zavatra ataonao dia miteraka henatra sy fahafaham-baraka manitsakitsaka ny hasin’ny Malagasy. Lanjalanjao ihany Atoa Minisitra, am-panajana feno”, hoy hafatra, raha hadika tsotsotra ny nambaran’I Rivo Rakotovao. “Miala tsiny Tompoko fa nataoka tamin'ny teny vazaha ity fanambarana ity mba ho azon'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy tsara satria dia heveriko fa tsy mendrika sy manala baraka ny firenen-tsika ny fihetsika nataon'ingahy Minisitra tany Paris. Tsy manakana azy hanohana ny fitondrana fa toa hadinony fa Minisitry ny Raharaham-bahiny izy. Tena tsy mety, mahamenatra !!!! ” , hoy hatrany.
TSY MANANA ETIKA SY DEONTOLOJIA
Isan’ny toe-javatra niteraka adihevitra teto amin’ny tany sy ny firenena iny, ary karazan’ny nijabaka ny Fitondrana. Fihetsika kely hitarafana ny etika sy ny deontolojian’ny mpitondra. Zavatra lojika sy fanao ny fihetsiketsehana sy fanehoan-kery ara-politika saingy ny fisiana minisitra Lehiben’ny Diplaomasia tao anatiny no niteraka adihevitra satria nampiseho niharihary ny fiandaniana ara-politika nentina nanoherana sy nampisehoana hery tamin’ireo RMDM Diaspora izay nanao fihetsiketsehana. Zavatra mety tsy voalanjalanja ohatr’ireny no miteraka ny fanasokajiana ho “sans qualité” toy ny tamin’ny tetezamita. Mbola adihevitra hafa ny fisiana olona toa notaomina avy taty Madagasikara hanao Diaspora.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap