airtel

Politique

15-sept-2021

Politique

Rivo Rakotovao “Miezaka mamafy lainga ny fitondrana”

Sample post image

Natsikafon’ny Filoham-panjakana teo aloha izay efa avy Filohan’ny Antenimierandoholona ary mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM Atoa Rivo Rakotovao ny ambarany fa lainga sy fiezahan’ny mpitondra ankehitriny

15-sept-2021

 hamafa ny asa sy tetikasa natomboky ny Fanjakana teo aloha, izay fitohizan-draharaham-panjakana, saingy iniana kosehina izany. “Ny teny, ny lainga dia toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony. Ny mpitondra amin'izao dia miezaka mafy manaratsy, mamafy lainga mba hamafana ireo ezaka, ny fifanarahana sy ny tetik'asa (RN5 Ambilobe-Vohemar, RN6 Ambanja-Diego, RN13, RN2, ROCADE EST ROCADE NORD EST PADEVE, PIC, PORT TAMATAVE PC 23 ALAOTRA...) tamin'ny fitondran’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA sy ireo mpamatsy vola”, hoy izy tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’I Rivo Rakotovao, fa ny hambom-po diso toerana no tsy haneken'izy ireo fa misy ny fitohizan-draharaham-panjakana na “Continuté de L'état”, kanefa dia izany ny fahambonin-tsaina tokony asehon'ny mpitondra. Ny Praiminisitra Ntsay Christian dia anisany nanao "revue des portes feuilles - Union Européenne" tamin'ny oktobra 2018, mahafantatra tsara ny momba an'ireo tetik'asa sy ny hafa izay ho hitanao ao amin'ireo antontan-kevitra na “documents” samihafa, hoy hatrany Atoa Rivo Rakotovao, izay namoaka an’ireo antontan-kevitra stratejika maro nentiny nanaporofoana ny fanombohana sy ireo tetikasa ireo tamin’ny fitondran’Atoa Hery Rajaonarimampianina. “Aza mamafy lainga ianareo, tsy bado ny vahoaka, aza ambakaina sy andangaina ary fitahana ny vahoaka, ny marina tsy mba maty ny tantara tsy maintsy hitsara ! », hoy i Rivo Rakotovao. Navoakany ny antontan-kevitra stratejika maro nentiny nanaporofoana ny voalazany toy ny fifanahana amin’ny tetika : Fanitarana ny seranan-tsambon’ny Toamasina vatsian’ny Japonais amin’ny alalan’ny JICA vola, ny fanajariana ny RN6 (Ambanja Antsiranana) sy RN13 vatsian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny BEI, ny fanavaozana ny RN5 Ambilobe-Vohémar vatsian’ny Eximbank sinoa, ny Rocade Nord-Oueest (Ambohitrimanjaka-Anosiala-Ivato) vatsian’ny Eximbank, fanajariana ny RN9, RN12, fanamboarana ny làla-manitsy Seranantsamobon’I Toamasina mihazo ny RN2, fanajariana ny RN44 vatsian’ny PACT-BM, ny fanavaozana ny lalamby FCE, ny fanaozana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, ny toby famokarana herinaratra any Volobe sy Sahahofika iarahana amin’ny tsy miankina, ny tetikasa nomerika HAWEI


Nisy ny fiezahana handiso ny voalazan’Atoa Rivo Rakotovao tao amin’ny tambajotran-tserasera. Naseho ny sary iray, fifanaovan-tsonia voalaza fa tamin’ny tetezamita, izay Atoa Andry Rajoelina no filoha ary Atoa Hery Rajaonarimampianina no Minisitry ny toekarena sy ny vola. Nikatso ny famatsiam-bola ary tsy tena nisy tetikasa novatsian’ny mpamatsy vola noho ny sazy tamin’ny tetezamita. Mety misy tokoa ny iray na roa tamin’ny tetezamita, fa ny ankamaroany, dia efa tao anatin’ny Fanjakana HVM. Tsy mbola misy hatreto ny antontan-kevitra stratejika mazava navoakan’ny Fanjakana mandiso ny voalazan’Atoa Rivo Rakotovao. Ny tetikasan’ny teo aloha izany hatreto no tena mandeha ireharehana, fa ny tena velirano nentina tamin’ny propagandy nitsefotra ny ankamaroany.
Toky R sy J.Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap