airtel

Politique

09-août-2021

Politique

Rivo Rakotovao “Potika foana ny firenena rehefa mandray fahefana ireo”

Sample post image

Namondrona ireo mpikatroka ao aminy tany Toamasina Renivohitra sy Fenoarivo Atsinanana ny antoko HVM ny faran’ny herinandro teo. Mbola misy ny mpikambana ao anatin’ny Antoko HVM

09-août-2021

 amin’izao fotoana izao ka io velomina io hoenti-miatrika ny fifidianana amin’ny taona 2023. Mifanakalo hevitra eny ifotony amin’ny zavamisy eto amin’ny firenena, hijery ny ho avy rahampitso sy afaky ny ampitso ny HVM satria ny antom-pisian’ny antoko dia hitondra firenena, ka ao anatin’izay adihevitra izay ny HVM amin’ny maha mpanohitra azy, , hoy ny Mpandrindra Nasionaly Atoa Rivo Rakotovao. Manana ny programan’asany efa napetraky ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampiaina tamin’ny fotoan’androny ny HVM, tsy lanin’ny vahoaka moa izy kanefa tsy kivy amin’izany fa izay no atao hoe politika, ary izay dia ireo hitanareo ireo teto Toamasina sy hanerana an’i Madagasikara, ireo ny HVM mahasahy mijoro, manana ny etika politika, tsy rambirambesina amin’ny fanomezana kely etsy sy eroa fa miezaka maneho sy mandresy lahatra amin’ny hevitra, hoy hatrany i Rivo Rakotovao.
MITOTONGANA NY FIRENENA
Hitantsika mazava tsara fa latsaka an-katerena mihitsy ny firenena. Tao anatin’ny fotoana vitsy kely izay, dia nianjera amin’ny tany sahady ireo ezaka lehibe natao nanarenana nanomboka ny taona 2014 satria tao anatin’ny lavaka mangitsokitsoka ihany koa ny firenena nandritra iny tetezamita lava be iny. Ny Mpitondra tamin’izany dia ny Filoha amin’izao Andry Rajoelina ihany, an-dry zareo no mandinika an’izany hoe: aiza ho aiza ary fa rehefa misy antokon’olona izany eto amin’ny firenena tonga dia io mianjerea io ny firenena amin’ny lafiny toekarena, sosialy, politika, hoy i Rivo Rakotovao. Aleo ry zareo, hoy izy, no hamaly an’izay satria no mahita amin’ny maso sy ny solomasony hoe mandeha izao fomba fitantanana izao. Isika rehetra no mahita ny zava-misy: 0Ar ny any amin’ny fampianarana kanefa ny any amin’ny Faritra milaza fa tsy misy an’izany fa andoavam-bola lavo be daholo, miteny ny vahoaka amin’ny vidim-bokatra, ny avy any ivelany miakatra be kanefa ny famokarana mitotongana ka inona no ataon’ny Fanjakana, ahoana ny làlana,… Izany no hanentananay amin’ny maha ao anatin’ny fanoherana, hanentananay HVM, ny mpiray tanindrazana, ary handresen-dahatra amin’ny fifidianana, hoy hatrany i Rivo Rakotovao.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap