fa efa ela no nitenenana ombieny ombieny fa makany amin’ny jadona ny firenena. Ny fifidianana dia tsy tokony hatao hanamarinana ny tsy fanarahan-dalàna kanefa izay no niseho teto. Zava-dehibe anefa, hoy izy, ny firaisam-peo ho an’ny firenena ka na misy aza ny tsy fitoviana dia resy, ka miray feo ny mpanohitra fa tsy tokony hatao tahaka izao ny firenena. Tsy mbola nisy tahaka izao satria fototra no tiana hatsangana eto amin’ny Firenena, hoy ny fanamarihany eo anatrehan’ny fiarahan’ny kandida maro izay mpifaninana kanefa miray feo eo anatrehan’ny raharaham-pirenena. Tsy azo ekena mihitsy izany vazaha hitantana ny firenena izany na inona na inona holazaina, na iza na iza no hilaza dia tsy azo eritreretina ny hoe : vazaha, hoy hatrany io Filoham-panjakana teo aloha io. Nidera ny fijoroan’ny rehetra i Rivo Rakotovao, izay nanamarika fa tsy ny teto Antananarivo ihany fa nanao izay ho hafany ny tany amin’ny faritra ary hohamafisina. Mila mijoro, hamafisina ny hery, hampidirina ireo hery samihafa hampiray ny firenena satria ho an’ny firenena ny tolona, hoy hatrany izy. Notsipihiny anefa fa tsy maintsy misy tanjona, ary misy lalan-kizorana mazava, ary tsy mifidy olona hatao sorona fa mifidy zavatra tsara ho an’ny firenena. Nambarany ihany koa fa eo anoloan’ny ratsy, ka ny ratsy tsy mianjera fahatany, fa mila hery, mila vola, ary mila miala amin’ny tahotra ihany koa. Miantso ny hitondrana sy hampivelarana hatrany ny tolona any amin’ny Faritra moa i Rivo Rakotovao na eto Antananarivo aza ny heriny satria efa mangetaheta ny rehetra. Nanamafy ny tenany fa mila miaraka, sarotra ny làlana fa mila mikely aina.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny