airtel

Politique

28-nov-2024

RMDM

I Siteny indray no ho Filoha ? Hatramin’ny taona 2023, izay taom-pifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo,

Sample post image

no tsy nanana filoha intsony ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM

28-nov-2024

satria kandida ho filoham-pirenena ny filoha nitantana azy farany nandritry ny 5 taona, Marc Ravalomanana. Hatreto aloha dia ny filoha lefitra misahana ny faritanin’i Toliara, Edouard Tsarahame, izany no mpitondra teny sy mampandeha ny raharaha vonjimaika, raha ny fampitam-baovao voaray farany. Adihevitra mandeha etsy ankilan’izany ny maha tsara toerana ho filohan’ny RMDM ny filoha lefitra faha 7 eo anivon’ny antenimierampirenena ankehitriny, ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko. Ity farany moa izany no lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena ary filoha mpiara-mitantana ny vondron’ny mpanohitra Firaisankina miaraka amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana ihany koa. Manana mpikambana maromaro ao anatin’izany RMDM izany rahateo ny Pro Siteny izay tarihiny ary misy amin’izy ireo mihitsy aza moa no kandida ho ben’ny tanàna amina kaominina samihafa amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap