airtel

Politique

06-juil-2022

Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Esory daholo ny tompon’andraikitra ao Nosy be”

Sample post image

Nanao tatitra ny raharaha tany Nosy be tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara.

06-juil-2022

Ny zava-nitranga tany, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame, dia ady tany. Tany an’ny Malagasy no nozanahan’ny firenena Frantsay, hoy izy. Nalain’ny fanjakana frantsay ny tanintsika teto Madagasikara. Rehefa niala ny mpanjanatany dia tsy nitondra tany izy nandeha any amin’ny misy azy any. Nijanona eto Madagasikara ireo tany ireo. Mbola nisoratra tamin’ny frantsay ny tany nampiasain’ny malagasy. Ny taona 2015 dia namoaka didy ny fanjakana malagasy notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, ka namerina tanteraka ny tany amin’ny tompony dia ny Zafinifotsy. Indrisy anefa fa tsy izay no misy sy iainana. Rehefa nahazo fahaleovantena isika dia nomen’ny fanjakana ny SIRAMA ilay tany mba ho tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka malagasy. Rehefa hitan’ny fitondram-panjakana teo aloha fa tsy nandeha amin’ny laoniny ny zavatra nataon’ny SIRAMA dia nivarotra tany koa ny SIRAMA. Tsy tompony fa nomena hampiasa anefa izy. Niaro ny taniny amin’izay ny olona. Gaga isika fa tsy mba mpiasan’ny SIRAMA tao na zanatany tao no mandeha mampiasa io tany io fa vahiny mpanam-bola avy any ivelany sy malagasy. Izay fitsanganana hiaro ny tany izay no tokony ho ady hevitra tany amin’ny fitsarana sy hisian’ny didim-pitsarana. Tsy izay anefa no nisy. Zavatra hafa no tonga eo amin’ny fitsarana. Mbola fanjakana eto Madagasikara ve I Nosy be sa efa fanjakana hafa ka ny mpanam-bola no mibaiko ao? Firenena iaraha-manana I Madagasikara ka sanatria efa ho lafo vao ho taitra isika. Misintona lakolosy izahay izao.
TONGAVA SAINA ISIKA!
Tongava saina isika! Mieritrereta isika malagasy mpiray tanindrazana fa misy trambo mandady eto amin’ny firenena. Fiapangana miisa 7 no niampangana ireo olona ireo. Miisa 16 no migadra avy amin’ny fikambanana Zafinifotsy. Lazaina fa naka vola tamin’ny mpikambana I Ramatoa Ninie Donia. Marina izany satria fikambanana io dia nisy latsakemboka natao amin’ny maha fikambanana azy. 50.000 Ariary ny latsakemboka hanomezana ny volan’ny mpisolovava. Afaka izy tamin’iny fiapangana iny. Lazaina fa nanao herisetra tamin’ireo nitory azy. Afaka koa izy tamin’iny fa ny fiapangana iray tena nitazomana azy any am-ponja ankehitriny dia hoe fikambanan-jiolahy na “association de malfaiteur”. Inona izany ilay asan-jiolahy nataon’ireo? Maninona ary ireo mpitory no mpikambana ao koa raha izany no marina? Tsy mandray fitoriana afa-tsy izay apetraky ny mpanam-bola ny fitsarana ao Nosy be, raha ireto taratasy an-tananay ireto. Ireto fitorianay ireto tsy noraisina. Nanao fihetsehana noho ny tsy fahafaliany ireto olona ireto ary ny mpitandro filaminana ihany no nandratra azy. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminantsika fa tsy izay no niainan’I Nosy be. Raha mbola misy tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity mifehy an’I Nosy be dia esory tsy misy hatak’andro ny tomponandraikitra rehetra ao Nosy be na ny prefe na ny kaomisera na ny lehiben’ny zandary na ny fitsarana fa raha tsy izany no mitranga dia mpiaray tsikombakomba amin’ireo ianareo eto Antananarivo, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap