airtel

Politique

16-sept-2021

Politique

Rodoben’ny mpanohitra Miantso ny mpitandro filaminana hanao ny asany

Sample post image

Fampihorohoroana tanteraka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny olona tsy mitovy hevitra aminy no nisy tany Antsirabe, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara

16-sept-2021

, omaly, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Bel’air, raha nanao tatitra ny dian’ny RMDM tany amin’ity renivohitr’I Vakinankaratra ity. Izany hoe fametrahana jadona eto amin’ny firenena, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame. Na iza na iza tsy mitovy hevitra amin’ny fitondram-panjakana izany dia tsy maintsy ho re foana ny zavatra ataony na aiza tany alehany na aiza. Efa nisafidy hametraka jadona eto amin’ity firenena ity izany ity fitondram-panjakana ity. Jadona tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana, ny foto-pisainana Malagasy, ny fiarahamonina eto Madagasikara izay no tiany hatao eto. Amin’ny anaran’ny RMDM iray manontolo no ilazanay sy hanamelohanay tanteraka fa tsy ekenay ny hametrahana izany jadona izany eto amin’ny firenena. Na amin’ny fomba ahoana na ahoana dia tsy ho ekenay amin’ny herinay rehetra. Andro efa mazava izao dia ianareo indray ve no hitondra aizina? Rehefa ianareo no hitondra fahamaizinana dia manome toky ny vahoaka Malagasy izahay fa hitondra fahazavana ho an’ity firenentsika ity. Hananantsika izay satria isika miaraka amin’Andriamanitra tompon’ny fahazavana. Tsy miaraka amin’izay hitondra fahamaizinana ka hahatonga ity firenena ity hiverin-dalana any amin’ny maizina indray isika. Manome toky anareo izahay fa tsy hijanona amin’izao fa tsy maintsy hiroso hatrany mandra-paha tanteraka ilay fehin-kevitra nataonay ny 23 sy 24 jolay teo. Mety maharary sy mampatezitra ny sasany iny nefa iny no hitan’ny maro ho vahaolana ho entina hanarina ity firenena ity. Ny 1 oktobra izao dia ho any Morondava izahay. Miantso anareo namana mpitandro filaminana rehetra hoe rehefa ho any Morondava ihany izahay dia andao hiaraka hiala eto dia miara-tonga any. Fantatray fa tsy maintsy andeha amin’ny tany alehanay rehetra ianareo ka andao re hiaraka satria tanindrazana iaraha-manana ity Madagasikarantsika ity. Ekenay ny fisiana sy fiasan’ny mpitandro filaminana. Tsy ekenay ny hanaovana herim-pamoretana voasoratra ao amin’ny fehin-kevitry ny mpitandro filaminana. Raha tsy mipetraka amin’ny maha mpitandro filaminana azy ny mpitandro filaminantsika ka ho tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany, aza adino fa mbola misy hery maro eto Madagasikara sy eto ambonin’ny tany. Ao ny herin’ny vahoaka, ny vola, Andriamanitra, ny firenena avy any ivelany. Milaza anareo mpitandro filaminana izahay. Mba tsy handrosoanay hery hafa misy eto ambonin’ny tany dia ataovy ny asanareo. Arovy ny vahoaka sy ny fananany fa mbola misy hery azo antsoina hanavotra ity firenena ity eto ambonin’ity tany ity, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap