airtel

Politique

22-juil-2022

Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Sahia, Lasa izao !”

Sample post image

Sahia! Lasa izao!, hoy ny hiaka naverimberin-drizareo avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM tetsy amin’ny biraony etsy Bel’air omaly.

22-juil-2022

Nanao antsoavo fanavotam-pirenena amin’ny Malagasy rehetra izahay, hoy ny RMDM. Maro ireo fikambanana, mpanao politika, antoko politika, olon-tsotra namaly izany antso izany. Ireto izahay solontenan’izany rehetra izany, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Tsarahame Edouard, hanao izany fanambarana ny fahavononanay izany. miombo-po, miray hevitra, miray saina izahay ireo fa latsaka an-katerena ny firenena ka mila firaisankina ny fanarenana sy fanavotana azy. Adidintsika rehetra ny manavotra ity tanindrazana ity ka antony hanentananay izay mbola misalasala hoe tongava eny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 23 jolay ho fanavotam-pirenena, hoy hatrany izy ireo. Isan’ireo nahatonga solontena omaly moa ny fikambanana MAMIFI na Malagasy mila filaminana, ny mpitondra fiarakaretsaka na Taxi, ny solontena avy any Toliara, Morondava, Faritra Atsimo andrefana, Faritra Anosy, ny avy any Mahajanga sy ny maro hafa. Ankoatran’ny fanentanana ho etsy amin’ny Magro moa dia miantso ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena koa ireto Rodoben’ny mpanohitra sy ny mpiaradia aminy ireto. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy ireny nataon’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Anjaran’ny tsirairay, adidintsika rehetra ny manatanteraka azy. Izahay kosa dia milaza fa tsy ankinina amin’olona iray ny fanavotam-pirenena. Ilaina ny fifampiresahana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap