airtel

Politique

07-juil-2021

Politique

Roland Ratsiraka sy Mamy Ravatomanga Mihalalina ny lonilony sy ny fifandirana

Sample post image

Tao anatin’ny andro vitsy raha tsiahivina no efa nandeha ny feo sy ny resaka fa misy mpitondra ambony efa nanao vaksiny Johnson & Johnson, ary isan’ny nilaza an’io ny Depioten’i Toamasina voalohany Atoa Roland Ratsiraka.

07-juil-2021

 “Fantatra izao fa misy vita vaksiny Jhonson & Jhonson ny mpitondra sy ny ankaikin’ny fitondrana ary polyclinique Ilafy irery ihany ny manana « autorisation » amin’ny fanafarana io vaksiny io. Raha ny feo mandeha dia 300 mahery ny « attestation de vaccination » nomen’ny polyclinique Ilafy. Fantatra fa ity vaksiny ity dia manankery any Eoropa kanefa ny Malagasy dia nomena covishield izay tsy eken’ny vondrona Eoropeana. Ny governemanta dia mila manome fanazavana haingana ary manome alalana amin’ny fanafarana vaksiny malalaka”, hoy io depiote io, izay naneho tamin’ny tambajotran-tserasera ny sarina “Attestation de vaccination” nambara fa navoakan’io Hopitaly lehibe io. Namoaka fampitam-baovao ofisialy mitondra ny datin’ny 05 jolay 2021 kosa ny Polyclinique Ilafy, niresaka sy nandiso ny vaovao momba ny vaksinin’ny coronavirus nahavoatonona ny anarany tamin’ny tambajotra ara-tsoasialy sy fampahalalam-baovao samihafa. Nambaran’io hopitaly lehibe an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga io, fa tsy nanafatra vaksinin’ny coronavirus na inona na inona karazany izy ireo, ary tsy nikarakara fanaovana vaksiny tao aminy. Miteraka resabe io, ka nilaza fa nametraka fitoriana fiandry eny amin’ny fitsarana hanenjehana ireo olona na rafitra izay minia manely vaovao tsy marina na amin’ny gazety samihafa sy fampahalalam-baovao samihafa na amin’ny tambajotran-tserasera izy ireo. Tsiahivina fa ny 10 jona ihany koa no naneho ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fanaovany vaksiny teny amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana eny Andraharo, fa efa nanao vaksiny mangingina ny mpitondra ambony eto amintsika.
LONILONY HATRY NY ELA
Marihina fa tsy vao izao ny depiote Roland Ratsiraka no nanakiana mivantana na ankolaka ny mpandraharaha mpanefoefo Atoa Mamy Ravatomanga. Efa tamin’ny fiandohan’ny volana martsa 2021 no nilazany fa fehezahin’ny olona akaiky ny Filoha ny toekarena sy ny fandraharahana. Notononiny manokana, fa tsy maintsy voasonian'i Mamy Ravatomanga vao afaka mandefa entana ny mpanondrana "Litchi", ny fanaraha-maso dia tsy mikasika ny kalitao fa ny toerana sy ny olona andefasana azy, olona tsy manana andraikitra ofisialy ao amin'ny ladoany sy ny ministeran'ny varotra no manao fanaparam-pahefana,… Karazan’ny efa lonilony eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny zava-misy, ary toa manao randra-tarihina sy mitady hivadika fifanenjehana avo lenta.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap