fitoriana napetrak'Atoa Mamy Ravatomanga milaza fa nanao fijoroana vavolombelona nandainga sy tsy marina na “faux témoignage” tany amin’ny PNF (Parquet National Financier) tany France ity Minisitra teo aloha ity. Somary mahazo toerana eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fampahalalam-baovao samihafa ny hoe: hanao ahoana ny akony? Raha ny raharaha momba azy teo aloha mantsy, milaza ny mpisolovava sy ny fianakaviany fa tokony ho efa ny 16 novambra 2022 izy no nivoaka raha ny voarakitra an-taratasy mikasika ny fanalehafan-tsazy azony. Nisy adihevitra hoe: 8 fa tsy 6 volana ny fanalefahan-tsazy iray tamin’ireo azony, ka farafahatarany ny 16 janoary 2023 teo no nivoaka raha ny fanazavana, saingy nohalavaina ny fitazonana am-ponja. Hiakatra fitsarana indray, ka mandeha ihany koa ny antso firaisan-kiana samihafa ataon’ireo namany sy ny fianankaviany, eny fa hatrany ampitan-dranomasina. Isan’ny nisongadina ny nilazan’ny zanany, fa andro vitsivitsy nialohan’ny 16 novembra dia narary mafy I Rolly Mercia, 4 androtsy nahasakafo ary 2andro tsy tafiditra intsony ihany koa ny rano. Nikoropaka ny dokotera tao amin'ny fonja sy Ny fianakaviana ka nasina “serum” haingana izy tao amin'ny fonja ary dia natao “évacuation” satria tsy vita ny teo anivon'ny fonja intsony tamin'ity indray mitoraka ity fa efa tena henjana loatra. 4 ny fandidiana na “interventions chirurgicales” natao tamin'i Rolly Mercia, ary nisy fahasarotana na nanao “complications postopératoires” izay nilana fitsaboana mafy dia mafy nandritrany 3 herinandro taorian'ny fandidina, raha ny fitantarana.. “Mbola tokony mitohy moa ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso azy saingy tsy maintsy naverina any am-ponja izy. Ny tiko hahatongavana dia izao, 68 taona ilay olona. Avy nandalo fandidina 4. Mbola misy soratra any anaty karine keliny any hoe “convalescence” sy ny hoe " à revoir pour contrôles ". Amin'io fihainoana amin'ny 7 febroary io, raha azo atao tompoko, dia mba aza avela mipetraka eo amin'ilay “banc de la salle d’audience” io izy”, hoy ny fiangavian’ny zanany. Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby