airtel

Politique

10-mars-2022

Politique

Romule A. Mpikamban’ny MMM “Sioka tokana io dia rava ny tsena”

Sample post image

Somary niakatra ny filoha Hajo Andrianainarivelo satria somary hafahafa fihetsika ny antoko politika TGV, hoy ny mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Romule Andriamanantenasoa.

10-mars-2022

 Ao anaty fiaraha-mitantana ny firenena. Mitady hanilika ny antoko matanjaka dia ny MMM ry zareo nefa samy nanohana izao fitondrana izao, hoy izy. Mampitandrina ny filoha Hajo hoe aoka mba ovaina ny fomba fanao tsy nety hatramin’izay satria manimba ny fiaraha-miasa. Efa sahirana ny vahoaka. Mbola asiana zavatra miteraka lonilony anaty fitondrana dia lasa miteraka zavatra hafa avy eo. Ny mpanohitra koa efa miandry fotsiny. Sioka tokana io dia rava ny tsena. Mila mitandrina ny fitondrana satria misy mamahan-dalitra ny filoham-pirenena ao ary samy manao izay saim-pantany ny aty ambany. Ny ekipanao ihany no manilika ny tokony hanohana anao. Mety ho sarotsarotra ny fifidianana amin’ny 2023 raha miala amin’io fitondrana io ny MMM. Na ireo mpikambana TGV koa aza efa mampaneno lakolosy hoe mba jereo izay mahasoa ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa tsy ny MMM ihany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap