airtel

Politique

11-avril-2024

RTOA ANNICK RATSIRAKA

Vonona hitondra ny feom-bahoaka ao Mahanoro

Sample post image

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC tao Mahanoro ny Alatsinainy hariva teo ny taratasy

11-avril-2024

filatsahan-kofidian’ny sekretera nationalin’ny Antoko Arema Ramatoa Annick Ratsiraka. Nosafidiana manokana hirotsahana i Mahanoro noho ity farany tany niaviany. Maro ihany koa ny asa izay nataony tao amin’izany distrika izany ary isan’ny distrika nandehanany matetika ihany koa i Mahanoro nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny antoko. Marobe hoy izy ireo asa vita sy nataon’ny fitondrana tao Mahanoro fony mbola nitondra ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Ankehitriny anefa hoy izy dia efa simba sy potika ny ankamarohan’izy ireny. Nilaza moa Ramatoa Anick Ratsiraka sekretera Nationalin’ny antoko Arema fa isan’ireo antoko mandray anjara mavitrika amin’izao fifidianana izao ireo mpikatroka ao anatin’ity antokon’ny Amiraly Ratsiraka ity . Manodidina ny 40 eo ho eo ireo kandida mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko, izay miparitaka amina distrika maro . Efa hatramin’ny fotoana nanomanana ny fifidianana filoham-pirenena moa no efa nikasa ny handray anjara ny antoko Arema , ary efa nanao ny fanentanana amin’ny tokony handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fisafidianana izay olona heveriny hitondra ny feony eny anivon’ny antenimieram-pirenena izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana nataon-dRtoa Annick Ratsiraka !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap