airtel

Politique

26-févr-2024

Sahirana ny Fitondrana

Miandrandra ny Tandrefana hamatsy vola ny PGE…

Sample post image

Nodinihina nandritra ny fifampiresahana stratejika teo amin’ny governemanta sy ny

26-févr-2024

mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara na ny PTF ny faran’ny herinandro teo ny Politika ankampoben’ny Fanjakana. Fihaonana stratejika voalohany ho an’ity taona ity io, izay fotoana nifampiresahan’ny roa tonta ireo lohahevitra lehibe satria ankoatra ity PGE ity dia teo ihany koa ny fiaraha-miasa toy ny fanohanana ara-bola ny fifidianana izay efa voafaritra ny tetiandro. Notaterin’ny sampana serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Primatiora, fa mifanaraka amin’ny fanamby nofaritan’ny mpiara-miombon’antoka ny voarakitry ny PGE. Nambara fa nisaotra ny governemanta tamin’ny fampahalalana sy fampafantarana ny PGE miaraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny Fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Rafitry ny Firenena milambana na ny SNU tamin’ny alalan’ny Mpandrindra maharitry ny SNU eto Madagasikara Issa Sanogo. Ahafahana manaraka tsara sy manohana ary mahalala tsara ireo teboka stratejika io fihaonana io, hoy ny SNU raha nanao tatitra tamin’ny tambajotran-tserasera. Nohamafisina ihany koa fa vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ny dingana vaovao mikasika ny fifidianana ho avy indray io rafitra io, toy ny efa nataony tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Nosokajiana ho fivoriana sy fihaonana manandanja noho izany ity fifampiresahana stratejika ity, ka nambara fa ahafahana manatsara hatrany ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Na izany na tsy izany, sahirana tanteraka ny Fanjakana Rajoelina eo amin’ny fanatanterahana ny PGE, izay tsy vao sambany no nisy saingy iaraha-mahalala ny vokatra. Betsaka ireo tetikasa sy fandaharan’asa izay makety no betsaka, fa tsy misy na mihisatra ny famatsiam-bola. Nisy PGE tao anatin’ny fitantanana 5 taona farany teo, ary betsaka ihany koa ny fihaonana stratejika sy kabary diplaomatika mikasika ny fanohanana an’i Madagasikara. Ny sary nitranga anefa dia mitombo ny fahasahiranana, mitombo ny tahan’ny fahantrana ka vao ny Banky iraisam-pirenena no namoaka fa niakatra ny tahan’ny fahantrana indrindra fa ho an’ny tanàn-dehibe, ary tena mampivarahontsana. Ampahany fotsiny ireto dia ny any Androy izay 95% ny tahan’ny fahantrana, Vatovavy 92%, Amoron’i Mania 88% , Bongolava 87%, Betsiboka 84%, Anosy 83%, Atsimo Atsinana 83%, Matsiatra Ambony 83%, Alaotra Mangoro 83%, Vakinankaratra 74%,… Midika izany fa tsy nahomby ny Fanjakana, nitsingevaeva ny programa nenti-niady tamin’ny fahantrana, tsy marin-toerana teo amin’ny hoenti-manana ara-bola fa fampanantenana poakaty sy makety no betsaka ary mety tsy araka ny filan’ny firenena ny laharam-pahamehana nandaniana vola. Tsy tena matoky ny mpamatsy vola ka hivina famatsiam-bola no tena mandeha fa ireo tetikasa goavana tsy dia hita taratra. Sasatra mitady fitokisana etsy sy eroa ka rehefa tsy mahita rirandrirany amin’ny Tandrefana dia mitavandra vola amin’ny arabo sy ny sinoa, hany ka toa fampanantenana sy sonia no heno matetika fa ny asa sy zava-bita toa tsy tena hita soritra. Mahavita mitrosa teleferika hatrany amin’ny 153 tapitrisa dolara isika, fa ny làlana tapitra potika tsy raharahiana, ny Jirama izay ain’ny indostria mandohalika, ny vidim-piainana midangana noho ny tsy fahafezana ny toekarena,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap