Ankoatra ireo fiomanana maro samihafa dia anisan’ny tena misongadina ny fananganana ny sainam-pirenena ho an’ny isan-tokantrano izay efa betsaka ny mivarotra azy mandehandeha eny an-tsena amin’izao. Raha araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara omaly dia tsy hataotao foana ireny sainam-pirenena ireny fa misy refiny tokony arahina. Betsaka ihany koa ny tsara ho fantatra hoy izy mba hifanaraka amin’ny haben’ny trano ny haben’izy ireny. Ho an’ny trano tsy misy rihana dia fantatra fa 30 sm amin’ny 45 sm ny refin’ny saina tokony hapetraka aminy. Raha misy rihina iray kosa ny trano dia tokony ho 75 sm amin’ny 90 sm izany raha mahatratra 90 sm amin’ny 135 sm ny refin’ny saina hatsangana raha mihoatra ny rihina roa ilay trano. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny zoro telon’ny sainam-pirenena. Saika mahitsy zoro avokoa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara ary avo roa heny amin’ny halavany ny sakany. Ny mahitsy zoro ambony miloko mena, ny mahitsy zoro ambany miloko maitso mavana toy ny ravinala izay mampalaza sy mampiavaka antsika eto Madagasikara raha miloko fotsy mangatsaka kosa ny mahitsy zoro ilany.
Pati
Legende : Misy refiny ny sainam-pirenena fa tsy hataotao foana
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,