airtel

Politique

11-avril-2024

Sakantsakana sy hetraketraka politika

Mety hiafara amin’ny fipoahana sy rombo …

Sample post image

Betsaka ireo kandida avy amin’ny fanoherana sy ny tsy miankina nanana olana na tratry ny sakantsakana teo

11-avril-2024

amin’ny fikarakarana dosie tamin’ity fifidianana depiote ity. Anton-javatra izay mampitombo ny lonilony sy ny ahiahy. Voatery nampiakatra ny raharaha teny amin’ny CENI foibe tamin’ny alalan’ny mpisolovavany Maitre Rija Rakotomalala, ohatra, ny Kandidan’ny Firaisankiana Narson Rafidimanana, mirotsaka ao Antanifotsy. Notsipahan’ny OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures) satria tsy feno ny taratasy fanamarinana ny fahaloavan-ketra na ilay 211bis tokony ho nomen’ny Ivon-ketra tany Toamasina. Voatery nampiakatra ny raharaha tany amin’ny CENI, ka nandefa taratasy tany amin’ny Fitaleavan’ny ankampoben’ny hetra ny Filohan’ny CENI ary nandefasana dika mitovy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, nentina nangata-panazavana momba an’io. Na teo aza izany, dia nolavina ankitsirano sy tsy nisy fanazavana ny fahazoana io dosie io. Namoaka noho izany ny CENI ao anatin’ny didiny izay nivoaka omaly 10 aprily, fa noho ny tsy fanomezana ny taratasy fandoavan-ketra avy amin’ny Ivon-ketra ao Toamasina tsy misy fanazavana mazava sy ny fitondran’ity kandida ity ny piesy ahafahana mahazo io taratasy io, dia nofoanan’ny CENI ny fanapahan-kevitry ny OVEC tsy nampanan-kery ny firotsahan-kofidian’I Narson Rafidimanana, ka naverina ho kandida ara-dalàna sy voatazona handray anjara amin’ny fifidianana hatao amin’ny 29 mey ity kandida ity. Efa kajy sy tetika ara-politika nomanina tsy hahafahan’ny kandida mirotsaka mihitsy ve izany ilay fanasarotana ny fahazoana ilay 211BIS? Marina fa manana 48 ora hampiakarana amin’ny CENI foibe ny kandida ary mbola manana 48ora eny amin’ny HCC raha tsy afa-po fa ahoana izany raha avy lavitra? Ny tsikaritra, dia saika ireo kandida avy amin’ny fanoherana na tsy miankina no manana olana tamin’io, raha tsy hilaza afatsy ny kandidan’ny Firaisankina ao amin’ny Boriborintany faha-4 Rina Randriamasinoro izay sarotsarotra ihany koa vao nahazo taratasy tany Toamasina, ny kandida Roland Ratsikaraka avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ihany koa efa niandry andro maro vao nahazo, ary nanamafy fa tamin’ity fifidianana ity no sarotra indrindra ny fikarakarana dosie satria tsy tia lalao madio ny fitondrana. Ny Kandidan’ny Firaisankina any Sambava ihany koa nanao fitarainana fa tsy nahazo an’io. Mbola miandry ny didim-pitsarana azy izay hiniana ampitarazohana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona,…
SAO MBA HIAFARA AMIN’NY ROMBO?
Vao aty amin’ny fanaterana dosie dia efa betsaka ny sakantakana sy kajikajy samihafa toy ny fampitanilana ny fitantanan-draharaha-panjakana amin’ny politika. Iny efa niteraka resabe iny ny fanerena ny mpampianatra tany Beloha nataona Chef Cisco mba hanotronana ny kandidam-panjakana. Io mampiaka-peo amin’ny fanerena sefom-pokontany ataona kandida ao amin’ny Boriborintany faha-4 ihany koa ny depiote Rossy, izay niantso ny hanatsaharana izany mba tsy hisian’ny rombo. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny tranga tany Nosy Be teo anatrehan’ny fisamborana ny kandida François Labanane fa ny olona no nivoaka sy nirohotra niaro, ary tonga hatrany amin’ny famoahana langilangy,… Mety hampiteraka rotaka tsy voafehy ny mety ho tsy fahadioavan’ny fifidianana eo eo anatrehan’ny efa fisian’ny lonilony politika maro, na dia ekena aza fa vitavita ho azy ireo hetraketraka politika teo aloha toy ny fanonganan’ny mpitondra tamin’ny alalan’ny HCC Filohana andrim-panjakana sy loholona, ireo kajikajy maloto samihafa,… izay vanja milevina ho an’ny mpitondra ampian’ny tsy fahombiazana, olana ara-toekarena, krizy sosialy,...
Toky R
Sary fanehoana : Betsaka tamin’ny kandida avy amin’ny fanoherana sy ny tsy miankina no nosahiranina tamin’ny fikarakana dosie
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap