Antenimieram-pirenena sy ny Filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, saika hatao tamin’ny endrika fiaraha-mifaly arahina fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-misakafo teny Analamanga Park omaly alakamisy 30 martsa 2023. Voalaza fa toromarika politika mikasika ny fanohanana ny Filoha ankehitriny no tena anton’io satria nialoan’izao, dia efa nisy ny resaka nivoaka, fa hamory ireo solombavambahoaka heverina fa mbola ao an-damosiny ny Filoham-pirenena. Efa miparitaka ny fanasana misy ny sary famantaran’ny Fiadidian’ny Repoblika manao hoe: “Am-pitiavana no hanasan’ny Filoham-pienena anao ho tonga eny Ambohimangakely ny sabotsy 1 aprily 2023 manomboka amin’ny 3ora hariva”. Ny depiote no malaza, fa tena iantefan’io, saingy mety haseho amin’ny endrika ambohipihaonan’ireo etamazaoro politikan’ny fitondrana. Depiote manodidina ny 100 no voalaza fa mety ho avy. Na izany aza, miozongozona ny fahamarinan-toeran’ny IRD ho manana maro an’isa ao Tsimbazaza. Manomboka vakivaky, raha ny sary miseho ankehitriny, ka may ny endim-boanjon’ny Fitondrana. Izany no voalaza fa isan’ny anton’ny fihaonan’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Randrianarisoa Romy sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razamahasoa teny Tsimbazaza ny 10 martsa, izay savaranonando sy tsapa rano hoe: tena mbola ao an-damosin’ny Filoha ve ireo depiote maro an’isa?
BETSAKA NO EFA TSY NAMANA INTSONY?
Tsy nisy resaka ofisialy nivoaka, saingy re ny mety hanambazana ny depiote amin’ny alalan’ny “fonds sociaux”. Ny sary miseho mantsy, tsy marin-toerana ny maro an’isa taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana, ary maro ny sosotra noho ny fahatsapana tsy fanajana ny fisaraham-pahefana sy fanosihosena ny androim-panjakana mpanao lalàna. Misy amin’ireo depiote IRD no voasintona lasa niara-dia amin’I Siteny Randrianasoloniaiko, ary voalaza fa tena maro izany. Ao ny avy amin’ny MMM mpiara-dia amin’I Hajo Andrianainarivelo izay efa nisintaka tao anatin’ny IRD, misy ny tazana teny amin’ny fanambaran’ireo parlemantera teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ny 23 martsa, toy ny depiote IRD voafidy teny Avaradrano sy Ifanadiana. Ao ny manana olana amin’ny olon’ny governemanta. Isan’ny nanaitra ny tsy fahitana ny depiote IRD telo lany teto Antananarivo nandritra ny fahatsiarovana ny 29 martsa teo. Misamboaravoara noho izany ny IRD, ka miezaka mandamina sy mandrindra izany ny fitondrana satria ho sarotra aminy fifidianana 2023. Tena mbola hahomby ve anefa izany eo anatrehan’ny tondro mena samihafa vokatry ny tsy fahombiazan’ny fitantanan’ny volomboasary ny firenena? Ny lalàmpanorenana izay mandrara ny fihaonana mivantana eo amin’ny depiote sy ny Filoha moa raha izay tokoa ny ho endriny anio dia efa naman’ny tsy misy ?
Toky R
Sary fanehoana
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.