airtel

Politique

08-mars-2022

Politique

Samy manampahefana ambony Miharihary ny tsy fifankahazoana

Sample post image

Miharihary ankehitriny ny tsy fifankahazoana eo anivon’ireo manampahefana ambony mba tsy ilazana hoe ny governemanta Malagasy mihitsy .

08-mars-2022

 Raha jerena amin’ny saina malalaka sy fomba tsotra dia azo lazaina hoe resaka tsy misy dikany indray no nivoahana zava-mahamenatra na “scandale” manaraka mikasika ny fitantanana ity Madagasikara ity omaly. Resaka valizy na kitapo misy kodiarana. Nahoraka fa voarara ny mitondra izany eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena toy ny eny Ivato mba hisorohana tsy fanarahan-dalana isan-karazany. Fitondrana volamena an-tsokosoko ve? Trafikana sokatra ve? Trafikana hazo sarobidy ve? Tsy afaka hanaovan’ireo mpanao izany azy ve ny kitapo tsotra? Dia nisafotofoto teo moa ny resaka; na inona na inona fanazavana natao sy mety mbola hatao dia vaky am-batolampy izao fa misy ny tsy fifanarahana, tsy fahaizana mandrindra sy mandamina asa eo anivon’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana ambony.Ireo anefa no mpanapa-kevitra mpanome baiko sy toromarika, ka tsy atao mahagaga raha mikorontana ny fitantanana ny firenena satria n any samy lehibe aza kay tsy mifanaraka, na misy tsy mahalala akory ny tena fanapahan-kevitra noraisina.Ary ny loza dia efa be resaka any anaty facebook, avy e ova hoe miala tsiny.Izany ve dia mba toetra mendrika ana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap