airtel

Politique

10-janv-2025

Samy manana ny tanjony ny mpanao politika

«Fampihavanana ahafahana mahazo toerana no be dia be»

Sample post image

Mbola ivelany na hoe «superficiel» hatreto izany fampihavanam-pirenena izany, hoy ny oloben’ny politika teto

10-janv-2025

amin’ny firenena izay efa sady tao amin’ny tafika no minisitra no ben’ny tanàna, Ramampy Zénaïde Lechat. Na mijery eny amin’ny fiarahamonina eny fotsiny aza isika, hoy izy, dia mbola mahita fanilikilihana amin’ny resaka fihaviana. Nisy olona nilatsaka depiote izao tany amin’ny sisin-tany teo nogadraina dia mba nanao hetsika ny tany saingy tsy nisy taty amin’ny toeran-kafa, marina fa lany ilay depiote, nihetsika hoe andao mba tadiavina ny fahamarinana eo amin’ny fiainana an-davan’andro! Andao jerena izany fihavanam-pirenena izany! Mbola misy foana ny fanavakavahana. Ny tokony hiadiana mandavan-taona mihitsy dia io fifanavankavahantsika samy malagasy io. Raha fihavanam-pirenena amin’ny lafiny politika no resahina dia nisy teo ny firaisankina. Efa nisy fikaonandoha teny Ivato. Fampihavanana ahafahana mahazo toerana no be dia be. Kandidà miisa firy nanohitra kandidà tokana? Nidina an-dalambe nanao an’ity sy ity fa tampotampoka teo nisy nitsoaka. Ny malagasy tsirairay mihitsy no tokony hahatsapa hoe malagasy aho, malagasy ianao. Any amin’iny manodidina an’i Mahajanga iny izao feno Tandroy. Nitsoa-ponenana tany izy satria tsy misy rano any aminy. Maty mosary ireo any. Vao misy halatra kely any ho any dia hoe ireo mpiavy ireo no mpangalatra. Mbola tsy ao amintsika ilay toetsaina hoe samy malagasy, samy tompon’ity tanindrazana ity. Izaho betsileo avy any Ambalavao fa mahatsiaro tena ho eto amiko aho eto Antananarivo satria aho mahatsapa ny tenako hoe malagasy. Ohatran’izany koa aho rehefa mankany Antsiranana na tsy mahay ny fitenin-drizareo any aza. Ny olona mety hanavaka ahy fa ny ahy izay no ao an-tsaiko. Rehefa izay no itondràko ny fiainako dia manaiky ahy ilay olona hivahinianako. Vetivety dia haiko avy eo ny fiteniny. Samy manana ny tanjony ireo mpanao politika ireo nefa rehefa atao ny fampihavanam-pirenena dia ireo ihany no mifanatrika eo. Izay mahay mandresy lahatra ny namany no lasa mpitarika dia nefa rehefa tonga eo amin’ny fitondràna dia ny efa teo ihany no hita. Indraindray aza vao mainka zava-doza. Nolazaina hoe i Ravalomanana nanao an’izao, ny fahoriana mahazo ny vahoaka amin’izao ve tsy be lavitra noho ny tamin’ny andron’i Ravalomanana? 6 volana taorian’ny nahazoako ny toerana maha ben’ny tanàna tao Ambalavao, 150 mahery ny isan’ny ankizy latsaky ny 10 taona maty tao anatin’ny 6 volana rehefa natao ny fanadihadiana. Nanontaniana ny Dokotera dia hoe areti-kibo. Nanontaniana hoe fa maninona? Hay ny rano no tsy madio! Tsy ny tao afovoan-tanàna no matin’ny areti-kibo fa ilay manodidina. Io izany no tokony laharam-pahamehana voalohany dia lasa nitady fomba. Lavadrano miisa 22 no natao tamin’ny fokontany rehetra nanodidina an’Ambalavao. Nihena ny fahafatesan’ny ankizy noho ny areti-kibo. Izany rehefa ny filàn’ny vahoaka no mibaiko ny mpitondra. Nisy ny tetikasa hoe «Faim zéro» na fanafoanana ny hanoanana. Miisa 50 mahery angamba izahay no tao anaty efitrano. 1 ihany no solontenan’ny minisiteran’ny fambolena rehefa natao ny fifankahafantarana. Tsy nisy solontenan’ny jono, tsy nisy solontenan’ny fiompiana. Madagasikara nefa firenena ivon’ny fambolena na «à vocation agricole» no sady nosy. Sakafo mahavelona daholo no avoakan’izany fambolena sy fiompiana ary jono izany. maninona nefa no tokana monja no solontena tao? Ilay hahazo volabe avy amin’ny mpamatsy vola fotsiny ve no nahamaika ny mpikarakara, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Card image cap
18-avril-2025

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

Card image cap
18-avril-2025

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

Card image cap
18-avril-2025

Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian

Card image cap
17-avril-2025

Misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika!»

Card image cap
17-avril-2025

Miverina indray ny fanjanahan-tany ?

Card image cap