airtel

Politique

24-mars-2022

Politique

Samy tsy nanameloka an’i Russie Efa eto ny Ambasadaoro vaovaon’i Algérie

Sample post image

Ambasadaoro vaovaon’ny Repoblikan'i Algérie, hiasa sy honina eto Madagasikara Atoa Malek DJAOUD. Tonga nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin’ny Filoham-pirenena omaly 23 martsa 2022

24-mars-2022

teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. "Firenena manana tantara iraisana sy fifandraisana ara-pirahalahiana mafy orina i Algérie sy Madagasikara." hoy ity Masoivoho vaovaon’ny Repoblikan'i Algerie ity. Niombon-kevitra ny roa tonta nandritra ity fihaonana ity ny tokony hanomezana ainga vao an'izany fifandraisana izany eo amin'ny sehatra samihafa ho an'ny tombontsoan'ny firenena roa tonta sy ny vahoaka ao aminy. Notsipihan'ny Filoham-pirenena manokana ny fanirian'i Madagasikara ny hanatsarana ny fifandraisana ara-barotra amin'i Algérie ary ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifanakalozana traikefa sy teknolojia eo amin'ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny jono ary ny akoranafo. Tsara ny manamarika fa iray tamin’ireo firenena 35 tsy nanameloka ny fanafihana ataon’i Russie any Ukraine tahaka antsika ihany koa i Algérie, fa nisafidy ny tsy hiandany. Rehefa zohiana anefa, toa somary manakaiky kokoa an’i Russie. Fifandrifian-javatra ihany ve ny safidin’ny roa tonta tsy hanameloka ny Rosianina sa efa mety ho torimarika avy amin’ny matanjaka?
Toky R


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap