airtel

Politique

20-oct-2021

Politique

Sao dia mba tsy rariny Ny vahoaka miandry lava, ny mpitondra migalabona

Sample post image

Lavitra loatra ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny entina eto Madagasikara. Tsy resaka fidinana eny ifotony na tsia ataon’ny Filoham-pirenena na mpitondra Fanjakana endrika ivelany sy kisehoseho io,

20-oct-2021

 fa eo amin’ny fomba fiaina sy fifampitondrana mihitsy, ary indrindra ny fari-piainana. Mitombo isa ny mahantra fadiranovana, tsy hita intsony ireo sokajin’olona manana fari-piainana antonony (classe moyenne). Raha ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ny desambra 2020, tafIakatra 77,4% ny taham-pahantran’ny Malagasy. Io taha io no ambony indrindra hatramin’ny taona 2012. Niampy 1, 4 tapitrisa ireo Malagasy miaina amin’ny 1, 9 dolara na manodidina ny 7 000 Ariary isan’andro,… Herintaona aty aoriana, tsy nivoatra isika, fa vao mainka milentika raha tarafina amin’ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mandavaka hatrany ny hantsana manelanelana ny manampahefana, izay tsy mba afaka ny handefitra. Ny vahoaka natao hampiandrasina, ka na ny zony izao aza aza efa tsy izy no tompon’ny teny farany. Natao hiandry sy hilahatra mandrakariva: tsena, hopitaly, banky, taksibe, biraom-panjakana,... eny izay aleha rehetra. Hatramin’ny karama valin-katsembohana izao aza mbola grevy no hitakiana azy, arahina vava be. Ny manampahefana kosa natao hanjakazaka. Misy mpisava làlana arahina kiririoka sy kipantsona dia lasa. An-kavitsiana mba tsy hitenenana hoe tsy misy ireo mba miara-miaritra amin’ny vahoaka isan’andro. Ny vahoaka rehefa handeha hiasa mandeha an-tongotra, bisikileta, taksibe,… raha misy saran-dàlana. Ny henjana dia misosa fotsiny sady fiara no mpiambina no tsy mandoa solika. Migalabona amin’ny volam-bahoaka, kanefa mbola manitsaka hatrany an-tampon-doha ny sasany, fady izany mba hiaiky fa diso izany. Ny an’ny sarambabem-bahoaka, rehefa miantsena any anaty hena antsasaky ny fahefany na ambikambin-kena amin’ny toko, trondro sira, ananana mifangaro, taovan-kena sy trondro indraindray efa misy fofona. Ry zareo tonga dia any amin’ny “Grande surface” na misakafo any trano fisakafoana malaza. Ny resaka hoe andeha hiala sasatra moa izany dia aoka fotsiny, mbola mahavita mampirevy vazaha ny mpitondra rehefa any ivelany, mandany amina miliara, toy ny natao tany Frantsa ny faramparan’ny aogositra. Aiza moa no hifanojo ny laharam-pahamehana lazaina fa fandrosoana sy ny fiaianan’ny sarambabem-bahoaka ?

 

Tsy nahazo fahefana anefa ireo raha tsy ny vahoaka, fa rehefa mahazo seza dia miha adino tsikelikely ny hasin'ny vahoaka. Matoa isika tahaka izao dia tsy voajery tsara ny resaka tombotsoa iombonana fa ataotao etsy sy eroa ny asa, tsy mirindra, maika hametaka ny anarany fotsiny ireo mpitondra dia izao no alehany. Sao mba efa tsy rariny intsony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap