airtel

Politique

04-janv-2024

Sarotsarotra ny fanendrena ny PM

Anio vao hanolotra anarana, ho voatendry rahampitso…

Sample post image

Raha omaly no nandrasana ny hivoahan’ny Praiminisitra vaovao,

04-janv-2024

dia mbola saro-piterahana hatrany aloha Ambatobevohoka ! Nanomboka afak’omaly hariva ny fanangonan-tsonian’ireo depiote maro an’isa dia ny depiote IRD, izay nampanantsoina teny amin’ny Arena Ivandry. Mbola tsy eto an-toerana ny sasany amin’ireo IRD, izay nanome fahazoan-dàlana na « procuration » an’ireo namany. Nitohy omaly hariva ny fivoriana sy fikononkononana tetsy Ivandry, ary anio hariva indray vao hanatitra ny anarana hisafidianana izay ho Lehiben’ny governemanta indray ny depiote maro an’isa, raha ny loharanom-baovao azo omaly. Rahampitso zoma 05 janoary 2023 kosa vao hivoaka ny anaran’izay ho Praiminisitra. Anarana telo no hisafidianana, saingy maromaro ny anarana mandeha. Mbola anarana miverimberina hatrany aloha hatreto ny an’ny Praiminisitra farany teo Atoa Ntsay Christian, ny Praiminisitra teo aloha izay ambasadaoro atsy Maorisy ankehitriny Atoa Camille Vitale, ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle, ny depiote voafidy tany Manja Fienena Richard. Tsy dia tokony hisy ny firesahana faritany sy fihaviana amin’ny resaka politika satria iray i Madagasikara sy ny Malagasy, saingy matetika voaresaka foana moa io. Herijika mety hahavoatendry an-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle ny naha olona mahatokin’ny Filoha azy, fa eo ihany koa ny mety ho valim-babena teo anatrehan’ny hoe : i Fianarantsoa no nahazoany isam-bato betsaka indrindra. Tany aloha, nisy ilay kabarin-dRatoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena sady Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa hoe : omeo anay ny Praiminisitra sy minisitera 10 dia omenay anao ny vatonay. Ahoana izany ny faritra hafa ? Ity farany izay noroahina tsy ho TGV tato aoriana rehefa nitarika ny vondrona fanelanelanana ny krizy. Nisara-dàlana tamin’ny fitondrana ihany koa ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena izay naongana fa tsy voahongana,… Somary mampametra-panontaniana momba ny fifidianana ihany hoe : tena fanomezana vato an-dRajoelina ve ny setrin’ny fanenjehana ireo olona manana ny tanjaka politika ao Fianaratsoa ireo ?
HIRAVONA VE NY KRIZIN’ANDRIM-PANJAKANA ?
Sarotra ny fandidiana eo anatrehan’ny sary politika miseho, ary efa notaterina foana ny fisian’ny krizin’Andrim-panjakana teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny mpanatanteraka notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian raha ny momba ity farany, izay efa tratry ny fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022. Na izany aza, matoa tsy voahozongozona ity Praiminisitra ity dia natokisan’ny mpanendry azy, ary misy matanjaka ao an-damosiny. Efa ho 5 volana eo ihany koa sisa dia ho avy ny fifidianana solombavambahoaka izay mety hampiova ny endriky ny etsy Tsimbazaza, na mety hanao izay faraheriny hahazo ny maro an’isa aza ny Volomboasary, hanamafisana ny ambara fa fandresena tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Tsy any amin’ny resaka seza sy fahefana no ady hevitra, ary tsy resaka tsangan’olona amin’ny fanendrena an-dRakoto na Rabe fa ny hoe : manana vahaolana mahomby sy maharitra manoloana ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-politika sy ara-diplaomatika izay tena olana goavan’ny firenena ve izay ho voatendry eo sa ny omaly tsy miova ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap