airtel

Politique

05-juil-2022

Politique

Sazalahy Tsianihy “Tahaka ny tany tsy misy Fanjakana any Toliara”

Sample post image

Tsy ahitana andro mihiratra amin’ny tsy fandriampahalemana ny Faritanin’i Toliara indrindra fa any Atsimo Andrefana sy Androy,

05-juil-2022

mila ho isan’andro handrenesana olona tapahin-doha hoy Atoa Sazalahy Tsianihy Mpikatroka ao anatin’ny Antoko, Filoha lefitry ny RMDM Toliara, ary efa Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha. “Ny alarobia 29 jona, ny rahalahiko izao no maty nisy namono tany Analamitivala any amin’ny kaominina Andranohinaly Toliara II, ka ny lohany mbola tsy hita. Iray volana nialohan’izay nisy vehivavy iray hita tapa-doha tany amin’ny tanàna 1km miala an’io tanàna io. Izaho Sazalahy Tsianihy, nisy nanafika ny tranoko tao Toliara tampon-tanana ny zoma nialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ka entana maro no lasa. Ny alarobia nialohan’ny fetim-pirenena ihany koa tao Miary 3 km miala ny toerana miasa anay, zaza varira iray no nalain’ny olon-dratsy teo an-tananan’ny reniny. Ny reniny no voatoto basy, ary efa nisy ny tratra. Ao Ankililaoka Toliara II tsy maintsy misy ombin’olona very,... hoy ny fitantarany. « Ohatran’ny tany tsy misy Fanjakana any aminay, tokony hojerena ny faritanin’i Toliara manontolo, fa raha izao no mitohy, raha dilan’ny volana oktobra, mety ny antsasaky ny olona sisa hipetraka any satria manampy trotraka ihany koa ny kere, troky izay misy mahafaty no hanin’ny olona », hoy i Sazalahy Tsianihy. Manomboka any Andranovory, Betioky, Ampanihiy,… zara raha misotro rano ny indray mandeha isan’andro olona, ary izany fidiovana izany dia tena tsy misy indrindra, kanefa tena ilain’ny vehivavy. Nahitsy izy naneho fa tsy ohatran’izany ny zava-misy tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Na tsy misy sy ifampitadiavana ny rano, nanana fahafahana ny olona hividy rano satria teo ny PSDR, ny asa takalo sakafo sy vola, ny Secaline nokarakarain’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), tamin’izany tsy nihoatra ny 2000Ar ny rano iray bidon 20L fa amin’izao any Andranovory, Andranohinaly,… hatramin’ny 10 000Ar, hoy izy. Ny tetikasa fitarihan-drano, tsy misy tena asa atao fa « werawera » no betsaka. Nanenina tongotra aman-tanana ny olona nifidy an-dRajoelina, betsaka ny hala-bato, ka mahatsiaro an-dRavalomanana ny vahoaka, betsaka no efa manatevi-daharana ny mpanohitra, hoy i Sazalahy Tsianihy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap