airtel

Politique

28-déc-2022

Politique

Seho ivelany ilazana fa mitsinjo vahoaka Nizarana fanomezana ireo mpivarotra nisiotsioka

Sample post image

Mitohy ny fakana ny fon’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Taorian’ny filazana fa mahazo mivarotra izy ireo hatramin’ny 1 janoary,

28-déc-2022

dia nisy indray ny fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena. Mba ahafahan'ireo mpivarotra ao amin'ny miatrika ny faran'ny taona sy ny taom-baovao am-pilaminana no nambara fa antony, ka tonga nizara izany ny solontenan'ny Filoha Andry Rajoelina dia ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Lova Ranoromaro. Taorian’ny siotsioka sy horakoraka nahazo ny Filoham-pirenena teny an-toerana moa no nanaovana izao fihetsika izao, raha toa ka nanomboka ny volana septambra no tsy navela hivarotra ireo mpivarotra amoron-dalana. Nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny hatramin’ny kaominina. Nahazo tombony roa sosona izany ireo mpivarotra tsy ara-dalàna etsy amin’ny Petite Vitesse, ka sady mahazo mivarotra no mbola nahazo fanomezana ihany koa. Asa hoe: volan’ny Filoha madiodio ve no nividianana an’ireny sa volam-panjakana? Hetsika tsongatsongaina amina sokajin’olona vitsivitsy tahaka ireny ve sisa no paikady hoenti-maneho an-tserasera fa mitondra vahaolana ho an’ny sosialim-bahoaka ny Fanjakana volomboasary? Inona no mason-tsivana ahafahana misitraka fanampiana tahaka ireny satria mba samy sahirana ihany koa ny rehetra raha hoentina amin’izany? Mba ahoana ny hafa? Tsara ny manome, kanefa ny zavatra tena andrasan’ny olona dia ny fivahan’ny olana ara-tsosialy mahafaoka ny daholobe fa tsy seho ivelany sy haingo ambony tsikoko atao amina ampahan’olona. Tsy mahavaha olana fa endrika propagandy ny tahaka izao, fa ny andrasan’ny rehetra dia ny fifehezana ny vidim-piainana, fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona, fivelaran’ny famoron’asa, fampiakarana ny harin-karen’ny firenena,… Efa adihevitra lehibe moa ny famelana ireo mpivarotra izay misy ny milaza hoe: aleo izy ireo hivelona sy hitady vola sa ianareo no hanome asa ho azy? Ankilany ihany koa anefa, maro no maneho fa ny fanomezana vahana ny gaboraraka sy tsy ara-dalàna tahaka izao no isan’ny tsy mampandroso ny firenena. “Raha hoentina tahaka izany dia aleo ihany kao ny fiara tsy misy patanty hiasa, aleo ihany koa ny zaza tsy ampy taona hivaro-tena, aleo ihany koa ny mpanondrana volamena anao ny ataony,… fa samy tsy fanarahan-dalàna ihany ny anaran'izany”, hoy ny fanehoan-kevitra ny olom-pirenena sasany, izay naneho fa ny fisainana tia gaboraraka ohatr’izany no maha fadiranovana ity firenena ity. Lasa atao fitaovana ny hoe sahirana dia aleo tsy hanara-dalàna.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap