airtel

Politique

20-janv-2023

Politique

Senatera Ramanambintana Richard « Tsy mety intsony izany fitondrana tetezamita izany »

Sample post image

Tsy mety eto amintsika intsony ny Fitondrana tetezamita hoy ny senatera Ramanambintana Richard omaly. Efa tena sahirana ny vahoaka hoy

20-janv-2023

izy no sady efa leo korontana ka tsy tokony hampahoriana amin’izany intsony. Ny fandehanana mankany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tena izy sy eken’ny rehetra araka izany no tena vahaolana hoy hatrany ity senatera ity. Nisy araka izany omaly ny antso avo nataony tamin’ireo olom-pirenena rehetra sy ny mpikambana ao amin’ny IFI izay tarihiny mba samy ho avy hijery ny anarany ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny Fokontany ka hanamarina izany. Ny hafahafahan’ireo feno 18 taona rehetra mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ihany mantsy hoy izy no hany lalan-tokana hialana amin’ny fitondrana tetezamita. Nisy omaly ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny IFI. An-jatony ireo tonga nanotrona izany toy ireo mpanasa lamba, ireo vehivavy sahirana, ireo fikambanana maro samihafa….Tsiahivina moa fa anisan’ny miasa mavitrika ho amin’ny fijerena ireo olona sahirana eto amintsika ihany koa ny fikambanana IFI.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny IFI omaly teny amin’ny Espace Dera Tsiadana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap