airtel

Politique

10-nov-2022

Politique

Serasera sy fakana sary any ivelany Tsy mety mivadika ho vola hoenti-miasa akory

Sample post image

Henjana ary mila traikefa sy fahaiza-manao ny fitantanana sy fampandrosoana firenena, fa tsy vitan’ny filalaovana sary sy serasera, tsy vitan’ny propagandy sy fampanantenana misavovona,…

10-nov-2022

Tena mila vina sy programa matotra sy mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka, mila paikady mafonja sy mahomby hoenti-manatanteraka azy, mila ekipa mahay sy mahomby ho amin’ny fanatanterahana, fa indrindra indrindra mila hoenti-manana ahafaha-manatontosa azy. Midika fa mila fahaiza-mandresy lahatra ny mpamatsy vola satria mbola miantehitra betsaka amin’izany isika amin’izao noho ny tsy fahavitana mamadika ho hery ny harena eto. Ankehitriny, filalaovana serasera no betsaka amin’ny fihaonan’ny Filoha Rajoelina amin’ny manam-pahefana sy tompon’andraikitra malaza eran-tany, fa ny tena fivadihany ho tombotsoa mivantana miantraika amin’ny vahoaka tsy tena hita taratra hatreto. Taorian’ny fihaonana tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny avy any Emirats Arabes Unis any amin’ny COP27, nihaona tamin’ny Lehiben’ny Fandaharan’asa ara-tsakafo eran-tany na ny PAM David Beasley ny Filoha Rajoelina. Nambaran’ny tatitra, fa noresahan'ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao moa ny kere mianjady any Atsimon'ny Nosy sy ny fomba hiarahan'ny firenena malagasy miasa amin’ny PAM mba hahafahan’ireo mponina hahaleo tena fa tsy iankin-doha intsony manoloana ny olan’ny tsy fahampian-drano. Efa nanaovana serasera hatrany amin’ny 4 aogositra 2020 fa hanomboka ny fitarihan-drano amin’ny alalan’ny fatson-drano lehibe na “pipeline” any Atsimo, saingy aty amin’ny 27 oktobra 2022 mbola fampanantenana ihany. Betsaka ireo serasera efa natao, toy ny hoe: nihaona sy nahazo fitokisan’ny Lehiben’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena tany Etazonia, saingy tsy dia misy zavatra tena mivaingana be famoahana programa goavana, fa sainga ireo famatsiam-bola mahazatra toy ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) no mandeha izay tsy vao izao fa efa hatramin’izay. Nanaovana serasera goavana volana vitsy lasa izay ny famatsiam-bola hatrany amin’ny 400 tapitrisa euros, saingy niniana tsy navoaka fa hitsitaitaika hatramin’ny 2028, ary ny 2022 aza 00 tapitrisa euros,… Misy ny fandaharan’asa samihafa ataon’ny Banky Iraisam-pirenena saingy zavatra efa misy sy mitohy ny ankamaroany, tahaka ny lafiny mahaolona amin’ny alalan’ny tohana ara-tsosialy toy ny vatsin’ankohonana tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina saingy ny anarany no mety niova,… Ny zavatra andrasana mba hanamarina fa tena hiasa sy hanatanteraka programa, fa tsy hampanantena dia ny hoe: io ny vina lehibe, programa hotanterahina mandritra ny 5 taona ohatra, izao miliara dolara no hoenti-manatanteraka, ireto no mpamatsy vola, izao no efa voaangona eo am-pelantanana, ary izao no tadiavina,… Tsy izay no tena miseho, tsy dia misy zava-baovao goavana ara-pamatsiam-bola, fa ny efa ny efa programa mandeha ho azy no tena tazana. Andeha atao hoe: mila 10 miliara dolara eo, ohatra, ny Fanjakana Rajoelina hoenti-manatanteraka ireo vinany. Iza no hahatoky sy hamatsy izany ao anatin’izao endri-pitantanana sy tsy fahamarinan-toerana ara-politika izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap