mpitarika ny Mihava Tour, sekretera nasionalin'ny antoko PSD no sady kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Manaraka akaiky ny toe-draharaha aty Madagasikara ny any Afrika, indrindra fa mahakasika ireo zava-manahirana mialoha ny fifidianana.Niresaka am-pirahalahiana ny roa tonta ary maro ny lahadinika sy hevitra nifampizarana tao, araka ny fampitam-baovao voaray. Fihaonana fanindroany teo amin'i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny filoha William Ruto ity satria itsy voalohany, amin'ny maha filoha am-perinasan'ny Africa Judo Union dia efa nanatrika ny lanonam-panjakana nandritra ny fihanianan'ny Filoha Ruto.Ity farany izay tsara ho marihina fa mpanohitra ny fitondrana nisy tany Kenya , ary anisan'ireo velon-taraina tamin'ny antsojay nahazo azy nataon'ny fitondrana , izay azo adika ho endrika fanosihosena ny demokrasia. Na izany aza, nizara traikefa tamin'i Siteny R ny Filoha Ruto fa nahazoany lesona maro izay navadiny ho paikady ka nibatany ny fandresena ny fanenjehana natao taminy.
TOEKARENA
Niresaka ny lafiny ara-toekarena ihany koa ny roa tonta ka teo aloha ny fandinihina ny endrika famatsiam-bola vaovao mifandraika amin'ny filan'i Afrika, ary faharoa manaraka an'izay dia ny mety ho fanatsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana eo amin'i Kenya sy Madagasikara.Samy mpanao politika moa no miresaka koa dia nizara paikady sy tolokevitra tamin'i Siteny Randrianasoloniaiko ihany koa ny filoha William Ruto nandritra izao fihaonana izao .Fantatra fa mbola ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny kandida Siteny R ny fihaonana amina Filoha Afrikanina hafa atsy ho atsy.
Nangonin'i RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby