airtel

Politique

17-nov-2023

Siteny Randrianasoloniaiko

Tsy nahovoka firy...

Sample post image

Vita soa aman-tsara ny adidiko amin'ny maha-olom-pirenena ahy sy amin'ny maha Demokraty ny tenako :

17-nov-2023

tsy mbola nanongam-panjakana na nandray anjara tamin'izany na indray mandeha aza, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Fantatra fa maro ny zavatra tsy tomombana hatramin'ny maraina , hoy izy ... tsy navela hiditra ny delegenay tamin'ny toerana maro, misy ny birao fandatsaham-bato tsy nisokatra ka tsy afahan'ny olona mifidy; maro ny tsy misy "isoloir", hoy i Siteny Randrianasoloniaiko omaly atoandro. Tsy maintsy atao izay fanaraha-maso sy fanangonana porofo rehetra azontsika atao, hoy izy Rehefa nojerena ireo vokatra vonjimaika halina dia hita taratra fa tsy nahovoka firy ny kandida laharana faha 13., misy fotoana aza i Siteny izay tena nanao propagandy mipoapoaka nitety faritra no resin'i Marc Ravalomamana izay tsy nanao propagandy mihitsy anefa fa nionona tamin'ny diabe teto Antananarivo niaraka tamin'ny vondron'ny kandida. Raha ny fitaovana, nampiasaina misy fiaramanidina, angidimby, T shirt, karazana haingo sy afisy , sorabaventy isan-karazany, ireo artista mpanentana sy mpanafana ny propagandy dia tena nanao i Siteny. Hita ho nanao mafy ihany koa izy tany amin'ny serasera amin'ny haino vakijery, saingy tsy arakarak'izay ny isam-bato azony. Midika izany fa mbola lavitra ny lalana ho an'ity solombavambahoakan'i Toliara I ity ary hita ihany hoe nananosarotra ny toerany ny ahiahin'ny olona ny amin'ny hoe sao dia zanaka am-pielezan'ny Mapar ihany ireto Mihava Tour ireto, satria tokoa moa mpiaradia tamin'ny Mapar ny depiote Siteny no nikopak'elatra avy eo .
RTT
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap