any Vohemar ny alahady izao, ary Ampanefena ny alatsinainy, izay milaza fa mihaino ny vahoaka. Iny faritra iny izay mpamokatra lavanila, ka nilazan’io depiote voafidy tany Toliara io tao Andapa, fa voafitaka ny vahoaka amin’ny sehatry ny lavanila satria betsaka ny kajy apetraky ny Fanjakana. “Marary ny vahoaka Malagasy, raha tsy hiteny fotsiny momba ny lavanila. Ny Filoha notohanantsika teo nilaza fa hataony avo telo heny ny lavanila. Raha 1 tapitrisa Ar ny vidiny tamin’izay dia atao avo telo heny ka ny dikan’izay dia 3 tapitrisa Ar, ny zava-doza dia nihena farany ambany. Izay no hanambarako hoe: voafitaka ny vahoaka Malagasy, voafitaka ny vahoaka ao SAVA, voafitaka ny vahoaka eto Andapa”, hoy I Siteny Randrianasoloniaikko. Raha 200 taonina eo ny lavanila aondrana, dia efa 8 tapitrisa dolara, vola izany, azo handoavana ny saram-pianarana, afaka hananganana tohodrano,… Tsy ry zareo no reraka tany an-tsaha, tsy namboly, tsy niandry ny lavanila rehefa manomboka ho masaka, kanefa mahazo 8 tapitrisa dolara maimaimpoana, hoy ity depiote ity. Momba ny fitantanana Fanjakana, nilaza ity farany fa tsy misy fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, kanefa voasoratra anaty lalàmpanorenana, saingy dikaina. Nambarany fa ny tetibolam-panjakana izay 10 000 miliara Ar izay tena volabe, dia misy vola 1300 miliara Ar ny vola very tsy voatantana tsara. Raha izany fotsiny no omena ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy 1695 dia ny ben’ny tanàna iray dia efa mahita 800 tapitrisa Ar, hoy izy. Nanao tsindro-paingotra ny fihetsiky ny Fitondrana izy hoe: “Aoka tsy ho voafitaka amin’ny fomba fanomezana ny moto ho an’ny ben’ny tanàna. Angaha izany no izy, fa omeo azy izay voasoratra ao anaty lalàmpanorenana. Raha 10 000 miliara ny tetibolam-panjakana, ka raha 23% amin’izany fotsiny no omena amin’ny fitsinjaram-pahefana, dia efa volabe, fa ny olana dia any Iavoloha ny olona manapa-kevitra, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny