airtel

Politique

18-sept-2023

Siteny sy ny Mihava Tour

« Fitiavana, Fitsinjaram-pahefana, Fihavanana no mampandroso… »

Sample post image

Nisafidy an’Antsohihy hanohiazana indray ny Mihava Tour i Siteny Randrianasoloniaiko taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha Kenyanina.

18-sept-2023

Nambarany fa nanala ilay laharana faha 13 teo am-pelatanan’i Andry Rajoelina izy, laharana namitahan’ny mpitondra teo aloha ny vahoaka io, saingy entina hanavotana ny vahoaka kosa amin’ny hoavy satria « vrai champion » no hitondra azy miaraka amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy fa fitiavana tena izy hanasoavana ny vahoaka Malagasy.Amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana no lalana tokana hampandrosoana an’i Madagasikara, tsy resaka tarehimarika fotsiny no mampandroso firenena ka hoe terena ho 13 ny zava-drehetra kanefa ny vahoaka Malagasy efa mihinana ny tsy fihinana, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy ny tarehimarka 13 akory no hampandrosoana an’i Madagasikara fa ny fitondrana tsara tantana. Mbola namerina indray ny mpitarika ny Mihava Tour fa tsy hisy valifaty politika izany fa fihavanana no apetraka raha izy no tonga eo amin’ny fitondrana : tsy maintsy mifandray tanana ireo mpanao politika miadiady ireo, hoy izy. Nanamarika nandritra ny lahateniny tao Antsohihy kosa i Eliana Bezaza sekretera nasionaly lefitry ny antoko PSD fa mila averina tahaka ny tamin’ny repoblika voalohany i Madagasikara satria hita fa nampandroso ny politikam-pitantanana tamin’izany ka i Siteny no hitarika . Ny politikan’ny Filoha Tsiranana no ho entin’i Siteny rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy, hoy i Eliana Bezaza. Nahavita nanangana orinasa sy fotodrafitrasa maro ny fitondrana tamin’izany fotoana , resy lahatra izahay fa ny politikan’i Dadabe Tsiranana irery ihany no mampandroso an’i Madagasikara, hoy izy. Nanamafy izany ny depiote Djaosera Irenée fa ny fitsinjaram-pahefana izany dia midika hoe apetraka any amin’ny kaominina, faritra , faritany ny vola sy ny fitaovana ary anjaran’ny faritra no manapa-kevitra ny amin’izay hataony hampandroso azy. Nanao veloma an-kira ny Filoha Rajoelina tao Antsohihy moa ny Mihava Tour ny sabotsy lasa teo.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap