tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Soalihy Moussa “Mialà ny AVI ary dia ho hitantsika eo”

Akaikaiky fifidianana ohatran’izao mihitsy ny fivoahan’ireny karazam-panehoan-kevitry ny filohan’ny antoko politika AVI, Norbert Lala Ratsirahonana ireny, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filozofa,

26-oct-2022

Sample post image

Soalihy Moussa. Mba tiako raha vao nanomboka ity fotoam-piasana ity izy no niteny an’iny, hoy izy. Nanana ny anjara toerany foana ary nanongana ny fitondrana hatramin’izay tokoa izany Norbert Lala Ratsirahonana izany. Misy fomba fiteny izay anefa hoe “Le monde change, le monde évolue”. Matetika koa diso vanim-potoana ireo raiamandrenintsika izay efa lehibebe ireo. Teraka ny taona 1938, izany hoe , 84 ho 85 taona izany filohan’ny AVI izany raha tsy diso aho. Hafa ny sokajin-taona amin’izao. Mila fanovana fanaovana politika mihitsy satria ny andron’izany Norbert Lala Ratsirahonana izany mbola tsy nisy Facebook. Mbola tsy niroborobo ny tekinolojia. Mbola andairana resaka miely. Lojika izy raha miteny hoe niongana izay nialany satria tena nilalao ity politika ity ary mbola andrarezina tamin’ny politika. Izahay sokajin-taona ankehitriny kosa tsy miombon-kevitra loatra amina zavatra ohatran’izany intsony. Na ny fifandanjan-kery iraisampirenena aza izao efa miova ary misy zavatra efa miova be dia be. Mangataka ny AVI hiala ary dia ho hitantsika eo. Ny tena mampalahelo dia herintaona mialoha fifidianana toy izao no ahitana ny tena namana na izay tena vonona sy resy lahatra amin’ilay fitondram-panjakana. Mivoaka daholo ny haratsiam-panahin’ny mpanao politika. Ry Hajo izao sakaizan’ny mpandresy. Tsy mitaingina soavaly maty. Teo koa ny raharahan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay nanapa-kevitra tsy nifampierana. Efa misy tsy fifampatokisana intsony ao dia misandratra ho azy ny taranak’I Rasanjy. Tokony ho tonga saina ny filoham-pirenena handrefy hoe iza no tena namany? Raha adika amin’ny tenin-jatovo ny ataon’ny filohan’ny AVI dia manao fikan’antitra. Fanajabahana ny filoham-pirenena ny filazana fa tsy tokony handrava governemanta amin’izao ny filoham-pirenena. Sakananao izany ny zon’ny filoham-pirenena hanao tombana ny governemantany. Ny tena mpanao politika dia mahalala tsara fa tsy mahafa-po io governemanta io raha hitantana fifidianana. Efa nilaza aho fa na io toerana misy ny minisitry ny asam-panjakana izay vadin’ny filohan’ny CENI io dia efa tsy mety fa mamparefo ny fitondrana. Filaminana no tadiavina izao, hoy hatrany ny tenany, ka sao dia mba tokony hipetrapetraka sy hisotro ronono amin’izay I Ratsirahonana fa efa tsy mandaitra intsony ny fika masiso fanaony taloha ?

J. Mirija

 

 


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus