airtel

Politique

21-déc-2022

Politique

Soarano sy Analakely Voasiotsioka sy voahorakoraka ny Filoha

Sample post image

Tratry ny horakoraka sy siotsiokan’ny olona ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 20 desambra 2022, nandritra ny fandalovan’ny tanjozotram-piara mitondra azy teny Soarano sy Analakely.

21-déc-2022

Endrika iray naneho ny tsy fahafalian’ny olona eo anatrehan’ny zava-misy amin’ny fitantanana firenena. Nisy moa omaly ny hetsik’ireo mpivarotra nilanja sora-baventy teny amin’ny Petite Vitesse ka toa nifanandrify tamin’izany ihany koa ny fandalovan’ny Filoha. « Avelao izahay hivarotra fa fety ny andro », hoy izy ireo. Marihina fa norarana nanomboka ny volana septambra lasa teo tsy hivarotra manamorona ny làlana Petite Vitesse ireto mpivarotra ireto, ka ireo nipoitra ireo indray. Teo ny fifanojoany tamin’ny hetsika nataon’ny mpivarotra, fa taratry ny tsy fahafalian’ny olona amin’ny Fanjakana ny horakoraka mahazo ny Filoha tahaka izao. Tsy vao sambany io, fa efa niharan’ny toy izany ihany koa I Andry Rajoelina teny Mahazo ny janoary 2020. Ady hevitra teto amin’ny firenena ihany koa ny fisamborana ilay lehilahy iray nanao “pousse inversé” nandritra ny fandalovan’ny fiara nitondra ny Filoha teny amin’ny By Pass ny volana jolay 2022 teo. Mitovitovy amin’izany, fa tsy nivantana ny fanakanan-dàlana tany Avaratry ny Nosy nataon’ireo tantsaha mpamboly lavanila nanakan-dàlana tao Andranomifotitra Sambara ny volana jolay teo noho ny tsy fahafalian’izy ireo, ka ny t-shirt nampiasain’ny kandida Rajoelina tamin’ny propagandy noho nohomboan’izy ireo tamin’ny tanambokovoko. Endrika maneho ireny, fa efa sahy maneho mivantana ny tsy fahafaliany sy ny tsy fahafaham-pony ny olom-pirenena, na takonana amin’ny kisehoseho samihafa indraindray tena andanian’ny Fanjakana volabe mba hisintonana olona aza ireny. Sesilany ny olana ara-tsosialy, toekarena, vidim-piainana, tsy fananan’asa, tsy fananan’ny Fanjakana vahaolana,… ka lojika ny fisian’ny fihetsika mitory hafatra mafonja tahaka ireny. Raha ny sary sy ny toe-draharaha ara-politika hatrizay, efa santatry ny mety ho tsy fahatafaverenan’ilay Filoha na fitondrana amin’ny toerany ny endrika horakoraka. Any ivelany ireny efa tena mahery vaika no isehoany, ary misy mihitsy aza ny endrika ompa, tahaka ny nanjo ny Filoha Amerikanina teo aloha Donald Trump.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap