raha ny hita tamin’ny haino aman-jery samihafa izay nantsoin’io vaomiera io. Nilaza moa ny MMM fa mandika lalàna ny CENI eo anatrehan’ny mbola famenoana karine fanisana mpifidy na efa tapitra aza fe-potoana. Miahiahy mafy amin’ny resaka “doubloons” ihany koa moa ny MMM. Ankilany, nilaza ny CENI fa ny fanisana mpifidy amin’ny fitetezana tokantrano no nifanarana. Entanina hatrany ny rehetra mbola tsy voasoratra hanatona ny fokontany, ny dikany tsy mandika lalàna ny CENI raha manentana ny olona mbola hisoratra anarana, hoy io tompon’andraikitry ny CENI io. Ny mahazatra ny olona dia hoe: manatona biraom-pokontany, saingy misy fokontany tsy manana birao. Misy mifamotoana eny amin’ny tranompokonolona na ambody kily,... Mbola misy “carnets” misy takelaka tsy feno tavela any amin’ny fokontany, fa izay feno no nakarina. Aorian’ny volana jona hahataperan’ny fe-potoana hahafahana mampiditra anarana no tsy azo atao intsony, raha tsy misy didim-pitsarana, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay, dia milaza hatrany ny CENI fa misokatra amin’ny adihevitra sy ny fanaraha-maso. Tena mahafoana ny ahiahy samihafa ve anefa izany rehetra izany?
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny