airtel

Politique

16-mai-2022

Politique

Soavinandriana Nolavina ny hetsiky ny TIM, nekena ny an’ny TGV

Sample post image

Nametraka fangatahana ofisialy tao amin’ny distrikan’i Soaviandriana mba hahafahany manatanteraka fivoriana tafiditra indrindra amin’ny famelomamaso ireo rantsa mangaikany ny antono Tiako Madagasikara ny zoma lasa teo

16-mai-2022

Nitarika ny delegasionina ny sekretera jeneralin’ny antoko Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, tany an-toerana ihany koa ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre.Tsia avy hatrany ny valiny fa hoe : tsy azo hanaovana fihetsiketsehana sy fivoriana politika any Soavinandriana. Anio alatsinainy 16 mey no noheverana hanatanterahan’ny TIM ny hetsika ao amin’ny kianja Maitso Soaviandriana, efa tsy azo izany ny alalana.Tampoka teo anefa , omaly alahady 15 mey dia nanao hetsika tao amin’io kianja Maintso io ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna TGV any an-toerana, namory olona ary nisy ny manampahefana tazana nanatrika izany, toa ny lehiben’ny distrika.Mipetraka ny fanontaniana : fa tsy hetsiika politika izany ny an’ny TGV, izay antoko politika ve ? Tranga efa hita tany Antsiranana ny toa izao, nampanantsoina natao fanadihadiana ireo mpitarika ny antoko TIM fa hoe mamory olona tsy nahazoana alalana.Avy eo anefa nanao karazana diabe nanerana ny tanàna ny TGV – Mapar . Manao fanapariaham-baovao anefa ny mpitondra fanjakana fa hoe misy demokrasia eto ary voahaja ny fahalalahana maneho hevitra. Izay ny am-bava sy any anaty serasera fa raha ny zava-misy marina dia manararaotra to any banga mihomehy amin’ny alina ny antokon’ny fitondrana sy ireo mpisolelaka milaza fa manohana ny filoham-pirenena afaka mihetsika, mivory sy midina an-dalam-be amin’izay fotoana maha diavolana ny sain’izy ireo. Izany ve no atao hoe tany manaja ny fahalalahana maneho hevitra ?

RTT


 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap