airtel

Politique

16-déc-2021

Politique

Sojaben’ny fakiolten’ny Siansa “Vitsy ny siantifika anaty fitondrana”

Sample post image

Ny siansa no tokony hifotorana raha tiana handroso ny firenena, hoy ny sojaben’ny fakiolten’ny siansa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, Dr Parker Ramahazosoa.

16-déc-2021

 Tsy ela izao, hoy izy, ny resaka CVO. Siansa izany. Ny resaka tontolo iainana, fiarovana ny ala sy zava-boahary, ny tontolo maitso. Ny fanaovana hoe rakofana maitso I Madagasikara dia tokony hamantarana hoe inona no mameno ity tany ity na ny “composition” ao aminy. Inona no hazo na zava-maniry mety ambolena aminy dia miainga amin’izay ny fikarakarana saingy betsaka ireo mbola tsy mahatsikaritra izay dia na mandeha aza ny voka-pikarohana isan-karazana dia tsy ampiasaina amin’ilay izy. Betsaka ny tsy mbola resy lahatra. Na ny fanapahan-kevitra eny anivon’ny antenimieram-pirenena sy ny namany aza tokony hifototra amin’ny fikarohana ara-tsiansa. Vitsy ny siantifika ao anaty fitondrana kanefa na tsy manao politika loatra aza izy ireny dia natao hanampy ny mpanao politika na ny mpitondra. Izay no filamatry ny faha 60 taonan’ny fakiolten’ny siansa dia ny hoe “Siansa miara-miasa sy miara-mandroso!”, izany hoe, miara-miasa amin’ny fanjakana sy ny samy mpiara-miasa ato anatiny ary ny rehetra na mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny sojaben’ny fakiolten’ny siansa
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap