airtel

Politique

11-juil-2022

Politique

Solika manahirana Ny vahoaka tsinjovina, ireo “Pétroliers » tambatambazina ?

Sample post image

Mananontanona ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy matoa nisy ny fivoriana fakan-kevitra notarihin’ny Filoha niaraka tamin'ireo mpandraharaha avy amin'ny sehatra tsy miankina,

11-juil-2022

ny fiarahamonim-pirenena, ireo mitonon-tena ho fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa sy ireo teknisianina,… teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Fifampidinihina miaraka mikasika ny fiakaran'ny vidin-tsolika izay tsy maintsy hirosoana. Nanamafy i Andry Rajoelina, fa manoloana ny zava-misy maneran-tany dia tsy azo ihodivirana ny fampiakarana izany vidin-tsolika izany. Manao ny ezaka rehetra kosa anefa ny Fitondram-panjakana, hoy hatrany izy, mba ho ara-drariny izany fiakarana izany mba hitsinjovana hatrany ny vahoaka Malagasy. Karazan’ny maka namana ny Fanjakana eo anatrehan’ny tsindry mahazo azy, mba ho andraikitra ifampizarana na ifanilihana ity ho fidangan’ny vidin-tsolika ity. Tena mahasolo tena ny vahoaka ve ireo ambara fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa sa sanatria mitaingana ny fahasahiranam-bahoaka hahazoana tombotsoa manokana? Ny sasany toa nitabataba ary avy eo nangina rehefa notambazana seza? Inona no ady tena nataon’ireo amin’ny ankampobeny ary tena nahasakana ny sondro-bidim-piainana tsy hidangana ve? Rehefa zohiana, ireo izany no heverina sy hamporisihina hampitony sy handamina ny vahoaka. Ny orinasan-tsolika ihany koa etsy andaniny tsy azo hanaovana don-tandroka intsony fa manomboka midingin-drambo, ka tsy maintsy mifampiresaka amin’ireo ny Fanjakana. Etsy ankilany, tsara ny mampahatsiahy fa nidina be ny vidin-tsolika tao anatin’ny 2 taona dia ny 2020-2021, ary taorian’ny adin’i Russie sy Ukraine nanomboka ny febroary 2022 vao nanomboka tena niakatra. Hatrany amin’ny -43,7% nanomboka volana martsa 2020, fitotonganana haingana indritra tao anatin’ny 60 taona, ary ambany indrindra taorian’ny 1999. Niditra hatrany amin’ny 8,15 dolara ny barila, teo amin’ny 20dolara ny salan’isan’ny vidiny iray barila tamin’ny ankampobeny, tao anatin’ny fotoana naharitra. Nampanjifaina 75 dolara hatrany ny Malagasy satria nolazaina fa nananan’ny orinasan-tsolika vola an-jatony miliara Ar ny Fanjakana. Ankehitriny, voizina ny hoe: any amin’ny firenena izatsy sy izaroa efa 8000Ar, efa 7000Ar,… fa ny antsika no mora indrindra ary niezaka be ny Fanjakana Rajoelina tao anatin’ny 3 taona matoa tsy nihetsika ny vidin-tsolika. Fanabadoana sy fnompana vahoaka ankitsirano izany. Samy nisitraka fidinany ny firenen-drehetra fa moa nisitraka izany isika? Moa mba niady ny fampidinana an’io ireo voalaza fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa? Any ivelany 1 600 Euros ny karama ambany indrindra fa ny anao 50Euro dia hitovy ve ny vidin-tsolika eto sy ny any? Ny karama farany ambany any Eoropa mahazo solika 780 litatra any aminy, fa ny anao anefa eto 73 litatra monja no azony”.
MANODIDINA NY 6000 AR NY LITATRA ?
Tao anatin’ny andro maro izay no efa nivoizana, fa mahatratra 4100Ar eo ho eo ny vidin’ny gazoala any am-potony raha toa ka 3400Ar no hivarotana iza ny eto Madagasikara. Eo ny saran’ny fitaterana, ny saran’ny fanatobiana sy ny fanapariahana, ny haba sy hetra, ny tombony alain’ny mpandraharahan-tsolika,… Raha ny fameram-bidy farany tamin’ny jona 2019, dia 290Ar isaky ny litatra ny fitaterana sy ny fanatobiana, 431Ar ny fanapariahana, ary nahatratra ny 956Ar ny haba sy ny tamberim-bidy (redevances) avy amin’ny solika izay manome 28% amin’ny vidiny eny amin’ny mpaninjara. Sao mba ny hetra sy haba no ahena? Raha ny vinavinan’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo, manodidina ny 5718Ar eo ny tokony ho litatry ny gazoala, izany hoe: manatombo 2318 amin’ny amin’ny vidiny ankehitriny. Raha raisina amin’io, manodidina ny 6000Ar eo no mety ho vidin’ny gazoala izay isan’ny tena be mpampiasa eto. Raha ny akon’ny fivorian’ny mpandraharahan-tsolika sy ny Fanjakana ny tapaky ny volana jona dia 2300Ar isaky ny litatra no mety ho fiakarana, ka 1000Ar no hihatra ny volana jolay, ary 1300Ar amin’ny faramparan’ny taona. Mivoatra anefa ny raharaha, henjana ny adihevitra ka andrasana izay ho tena tapaka satria nitohy omaly alahady ny dinika. Ny azo antoka dia tsy azo hihodivirana ny fiakarana saingy tsy manana paikady mazava hanalefahana ny fahasahiranam-bahoaka ny Fanjakana Rajoelina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap