airtel

Politique

23-juin-2023

Politique

Solontenan'ny PNUD Miantso fitoniana sy fanehoan-kevitra malalaka

Sample post image

Tokony hizotra am-pilaminana sy ara-demokratika mba ho amin'ny firaisam-pirenena sy ho avy demokratika milamina ho an'i Madagasikara ny fifidianana,

23-juin-2023

hoy Atoa Issa Sanogo Solontena maharitry ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana na ny PNUD omaly nandritra ny fampihaonana politika tetsy amin'ny Novotel omaly 22 jona 2023. Nambarany fa manohana ny Malagasy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy madio ary andraisan’ny rehetra anjara ny Firenena Mikambana. Izay no antony nanokafana ny “Basket fund”, ahafahan’ny firenen-drehetra mandrotsa-bola hanohanana an’I Madagasikara. Hatreto anefa, mbola fanohanana teknika aloha no entin’ny PNUD, izay nanao iraka fanaraha-maso ara-pifidianana ihany koa. Mifantoka amin’ny fanohanana teknika aloha amin’izao, ary mbola eo am-pamaritana ny tohana ara-bola harotsaka ao amin’ny “basket fund” ny PNUD. Momba ny toe-draharaha mafampana eto, misy foana ny tsy fitovian-kevitra, saingy miantso ny hisian’ny fifampiresahana mba hisian’ny lamina ara-demokratika hahafa-miroso amin’ny fifidianana milamina sy madio ary handraisan’ny rehetra anjara, hoy hatrany ny solontenan'ny PNUD. Nomarihin'i Issa Sanogo fa manohy ny fandresen-dahatra amin’ny ahafahana manatanteraka ny fanatsarana rehetra, toy ny amin’ny lalàna fototra momba ny fifidianana izy ireo, kanefa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fe-potoana voafaritra hanatanterahana ny fifidianana izany. Mamporisika ihany koa amin’ny alalan’ny tolo-kevitra fanatsarana mba hanamafisana ny haha marin-toerana sy tena azo antoka ny fifidianana. Tahaka izany ny fitsirihana ny lisi-pifidianana, ny fanambarana ny datim-pifidianana, ny tantsoroky ny fanjakana ara-bola sy ara-pitaovana,... Naneho fa tokony ho feno ny fepetra, tokony ho afaka haneho hevitra malalaka ny mpisehatra rehetra ara-politika, tsy miresaka fanaovana fihetsiketsehana ara-politika na "manifestation" izay mety ho diso ny fandikana azy, fa ny fahafahana mamory olona ara-politika. Mba ho an’ny tombotsoan’ny rehetra, dia tokony ho tony ny maripana, ary ny rehetra dia afaka manao ny hetsika ara-politika, mba ho tonga amin’ny fifidianana am-pilaminana, andraisan’ny rehetra anjara, ary ahafahan’ny Malagasy manatanteraka ny zony sy adidiny ara-demokratika. Samy manana ny heviny ny rehetra, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra, ary tsy ny hevitra fotsiny no mivoaka amin’izay fa ny fiainana ara-politika, izay tokony hitondra any amin’ny fifanajana sy ny fifampiresahana manatsara zavatra, hahatongavana amin’ny fifidianana milamina sy mangarahara, hoy hatrany ny solontenan'ny PNUD Issa Sanogo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap