raha tsy voalamina dieny aty am-piandohana. Io iaraha-mahalala io ny lonilony eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety noho ny fisiana fitsabahan’ny Minisiteran’ny serasera ao anatin’ny raharaha tokantranon’ny OJM. Efa nandefa antso na « appel à candidature » ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety tarihin’Atoa Gérard Rakotonirina satria ity rafitra ity no nandefasan’ny CENI ny taratasy na « lettre d’invitation » avy amin’ny CENI mba hanolotra ny anarana, ka ny 01 septambra lasa teo no naharaisan’ny OJM an’io taratasy io izay mitondra ny laharana 848-21/CENI/SE/SEA mba ho fampiharana ny andininy 15-16 amin’ny lalàna N°2015 tamin’ny 19 oktobra 2015 mikasika ny rafitry ny CENI. Voafaritr’io lalàna io ny fananan’ny mpanao gazety rafitra iray ao anatiny. Mazava izany, fa miainga avy amin’ny OJM amin’ny endriny ankehitriny ny fanolorana ny anarana. Efa misy firotsahan-kofidiana maromaro voaray, hoy ny Filohan’ny OJM Atoa Gérard Rakotonirina omaly. Efa io mampanao fifidianana izay ho Filohan’ny OJM io ihany koa anefa ny Minisiteran’ny serasera, ary aorian’io no mikasa hametraka ny solontena any amin’ny CENI. Ny olana mipetraka, dia aty amin’ny OJM no tokony hikarakara fifidianana raha hisy an’izany, asan’ny holafitra ny manome karatra maha matihanina ny mpanao gazety fa tsy asana minisitera, ary tsy mbola misy teto ambonin’ny tany afatsy teto Madagasikara angamba izany hoe : raharahan-tokantranona holafitra, saingy ny zava-misy ankehitriny dia ny Ministera no manangana kaomisionina hikarakara fifidianana izay ho Filohan’ny OJM. Raha tsy voalamina io raharaha io, dia ho adihevitra tsy hifankahitana indray ny fametrahana izay ho solontenan’ny mpanao gazety ao anatin’ny CENI. Tsy takona hafenina ny gidragidra ka hinia hiziriziry hametraka olona terena ho Filohan’ny OJM izay tsy ankasitrahan’ny mpanao gazety sy voalaza ho tsy ara-dalàna amin’ny maha tsy manan-jo ny Minisitera amin’ny raharahan’ny OJM ve ny Minisitra sy ny ekipany sa hihemotra sy hitady maromaritra iraisana ?
Toky R
Mitohy ny fanalavam-potoana amin’ny fahafahana misoratra anarana anaty lisi-pifidianana, raha ny zava-misy amin’izao.
Hofaranana ny 10 jona izao ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika eto Madagasika, raha ny fandaharam-potoana nofaritan’ny CENI taorian’ny fifaranana vonjimaika tamin’ny fisoratana anarana ny 31 may lasa teo.
Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany omaly 07 jona 2023 tamin’ny 01 ora maraina Atoa Hary Naivo Rasamoelina, andrarezin’ny politika,
Nanome fanampiana an’i Ninie Donia ny Vehivavy TIM Analamanga tarihan’ny filohany, Arphine Rahelisoa omaly. Ny 20 mey lasa teo, nanao hetsika ho fitadiavam-bola ny Vehivavy TIM Analamanga
Mikasika ity raharaha fitsaram-bahoaka tany Lalazana Vohibato, Fianarantsoa, ity dia manameloka tanteraka izany izahay, hoy ny filohan’ny HAFARI malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Volan’ny seranan-tsambo na «port» 100 miliara iraimbilanja na 20 miliara Ariary no nanaovana ny Miami tapany voalohany na «1 ère tranche»,